Taratra

Farita arovana: omena lanja ny fomba ara-drazana any Andapa

Paikady mahomby ho enti-miaro sy mitantana ma­haritra ny faritra arovana (AP) any amin’ny distrikan’ Anda­pa, ny fanomezan-danja ny fomba ara-drazana sy ny fandraisana andraikitra ny eny ifotony. Ireo ny tsoa-kevitra nivoitra tany an-toerana nandritra ny fivoriana teo amin’ny minisitera, ny tompon’andraiki-panjakana, ny mponina, ny fikambanana, ny mpitandro filaminana. Teo koa […]

Asa Avotra Mirindra-Fid : mahavita harona 200 isan-kerinandro i Augustine sy ny namany

Anisan’ny nisitraka ny te­tikasa Asa Avotra Mirindra notohan’ny Tahirimbola ho an’ny fampandrosoana, Fid, Rtoa Razafindravao Marie Augustine. Monina any Anki­anjabe, any Tranovon­drona, distrikan’Isandra. Maty vady izy, manan-janaka dimy. Nam­barany fa tsy nahatsapa ny lanja ara-toekarena mikasika ny asa tanana mandrary izy talohan’ny nahazoany fanampiana avy amin’ny tetikasa Asa Avotra Mirindra. […]

BNI : tohanana ny mpandraharaha madinika

Mpiara-miombon’antoka tamin’ny hetsika fihaonambem-paritry ny fandraharahana, na BFR (Business Forum Régionaux) ho an’ny faritra Alaotra Mangoro, Atsinanana ary Analanjirofo ny banky BNI. Nikarakara azy ny EBD M, izay natao tany Toama­si­na, ny herinandro lasa teo. Nandray anjara tamin’ny famelabelaran-kevitra ny ban­ky BNI, ka nitondra ny teny Rtoa Rakotovao Hanta, talen’ny […]

Hitsidika ny zavaboahary : mpizahatany manana fahasembanana ara-batana

Tonga eto Madagasikara ny vahiny mpizahatany maromaro, manana fahasembanana ara-batana. Hivahiny eto amintsika mandritra ny 12 andro izy ireo, hitsidika ny tontolo voajanahary toy ny any Ranomafana Fianarantsoa, Ifaty sy ny hafa. Mpilatsaka an-tsitrapo mitarika azy ireo nandeha aty amintsika, i Hank Malters, avy any Netherlands. Nambarany, fa fanirian’ny orinasa […]