Taratra

Kaominina Antananarivo Renivohitra: ankizin’ny lalana 360 haverina amin’ny fianakaviany

Nankalazaina omaly, teny amin’ny kianjan’Alarobia, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny ankizin’ny lalana. Fa­nentanana ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny eto amin’ny firenena mba handray andraikitra amin’ny fikarakarana ny ankizin’ny lalana no tanjon’ny hetsika. Mba hisitrahan’izy ireo zo mitovy amin’ny rehetra. Ezaka tsy maintsy hatao alohan’ny faran’ny taona ny hamerenana ankizin’ny lalana maherin’ny 360 […]

Rehefa vandana dia kary

Manao ranolava ny tifitra sy ny fanaovana fahirano ny olon-dratsy ataon’ny mpitandro filaminana tato ho ato. Miezaka ny manadio sy mitady ny fomba rehetra hifehezana ny toe-javatra tsy manjary na ny polisy na ny zandary, eny fa hatramin’ny mi­aramila any ambanivohitra rehetra any. Betsaka ny jiolahy tsy tafavoaka velona mandritra […]

Fanafihana mitam-basy: jiolahy efatra voatifitra, adjidàn’ny Tafika ny iray

Maty voatifitra ny miaramila iray, voalaza fa mpamatsy basy sy ny jiolahy telo saika hanafika mpandraharaha, omaly. Tratran’ny polisy mpitsongo-dia izy ireo. Raikitra ny fifampitifirana. Maty voatifitry ny polisy ny Adjidà am-perinasa iray, miasa amin’ny vondron-tafiky ny Tafondro mavesatra na ny R3A, eny Ambalamanasa, Toamasina, omaly. Voalaza fa mpiray tendro […]

Halatra omby : dahalo maty voatifitra

Nifanenjehan’ny mpitandro filaminana ny dahalo iray anisan’ireo nandray anjara tamin’ny halatra omby tao Ambaiboho, fokontany Am­ba­to­mikatraka, kaominina Anjoman’Akona, afakomaly. Nangalatra omby miisa 12 tao amin’io tanàna io izy sy ny namany. Nanara-dia ny fokonolona ka maty voatifitr’ireo dahalo ny telo. Nanao fanadihadiana ny zandary. Lehilahy iray tsy lavitra ny tanàna […]

Marovoay : lehilahy nahatrarana rongony 2 gony

Noraisim-potsiny teo am-pidorohana rongony ny lehilahy iray anatin’ny tanàna Ma­roala, kaominina Antanima­saka, distrikan’i Marovoay, ny 11 avrily teo. Sendra nanao fisafoana ny zandary kinanjo nahita azy tsy nihafahafa ni­doroka zava-mahadomelina. Nosavaina, arak’izany, ny trano fonenan’io lehilahy io. Tratra tao ny rongony roa gony mahatratra 28 kg. Nen­tin’ny zandary nogiazana ireto […]