Taratra

Andriamena – Betsiboka : lavon’ny bala i Bota, dahalo mpaka an-keriny

Maty voatifitry ny zandary i Bota Gène, dahalo raindahiny amin’ny fakana an-keriny tao Andriamena, anatin’ny faritra Betsiboka, ny 9 avrily teo. Nandray anjara tamina tranga fakana an-keriny tsy latsaky ny telo ity dahalo ity. Anisan’izany ny tranga tao Manakana Vohimbohitra, ny septambra 2022. Naka ireo olona telo mianaka tamin’io fotoana […]

Vono olona: jiolahy raindahiny voatifitra

Namoahan’ny polisy filazana fikarohana, maty rotiky ny bala tetsy Ankazomanga ny jiolahy iray nitondra antsilava, afakomaly alina. Nam­pihorohoro olona maro eny amin’ny manodidina an’i 67 Ha sy Ankasina iny ity jiolahy ity. Tsy vitan’ny manendaka an-dalambe miaraka amin’ny fitaovam-piadiana toy ny zava-maranitra izy. Mamaky trano ary mamono ho faty ireo […]

FITEAM: mitaky ny hanasaziana ireo zandary nitifitr’olona tao Amboasary

Niara-niombom-peo ny Fikambanan’ny Terak’Androy eto Madagasikara (Fiteam) manoloana ny herisetra nataon’ireo zandary tamina raiamandreny sady lehiben’ny andrimasom-pokonolona ao Amboasary Atsimo, ny 1 marsa 2023 teo. Nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao ga­zety, omaly, no nanamafisan’izy ireo izany. Araka ny fanazavan’ny solontenan’ny mpikambana, Mbola Ma­monjisoa Jean Chrysostôme, tamin’io fotoana io tao amin’ny […]

Chelsea vs Real Madrid : hanala vela ny ekipa anglisy

Hotanterahina, anio, ao amin’ny kianjan’ny Berna­beu, ny lalao ampahefa-dalana mandroso ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligues des Champions 2023” (LDC). Hihaona amin’ny Real Madrid, Espaina ny Chelsea FC, Anglisy. Hanala vela ny ekipa ang­lisy amin’ity fifanandrinan’ny roa tonta ity. Tsiahivina fa izy roa ireo no nihaona tamin’ny lalao […]

Lalaon’ny Nosy (JIOI 2023) – Ady totohondry: hanomboka ny volana mey ny fampivondronana

Mandra-piandry ny fampivondronana ataon’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena, nanapa-kevitra ny filohan’ny Comité d’organisation de boxe malagasy (COBM), Raba­risoa Hery Mamy, fa hanomboka ny 2 ka hatramin’ny 14 mey ny fitiliana ireo handrafitra ny ekipam-pirenena mala­gasy, taranja ady totohondry. Hatao ao amin’ny ANS Am­pe­filoha izany. Hahatratra 100 ireo mpikatroka hiatrika ity fampivondronana andiany […]