Taratra

Handball : hanome fiofanana «Education weeks» ny IHF

Ho fampiroboroboana ny taranja handball, manomboka any ifotony ka hatrany amin’ ny ekipam-pirenena, hanome fiofanana ho an’ireo mpisehatra rehetra ao anatin’ity ton­tolom-panatanjahantena iray ity, ny Federasiona iraisam-pirenena (IHF). “Education weeks” ny anaran’izany ka fandrantoana fahalalana mandritra ny herinandro no atao. Hanomboka ny volana mey ho avy izao ka haharitra hatramin’ny […]

Barean’i Madagasikara : nihaona amin’ny Federasiona i Nicolas Dupuis

Hanatanteraka fihaonana amin’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) i Nicolas Dupuis, mpanazatra. Tsiahivina fa nametra-pialana tsy hitondra ny Barea intsony izy, araka ny fanambarana nataony, ny talata 28 marsa lasa teo. Araka ny vaovao voaray teo anivon’ny Federa­siona malagasin’ny baolina kitra (FMF), hihaona amin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra, rahampitso alakamisy 13 […]

Herinandron’ny fifandraisan-davitra : tsy mitsaha-mikaroka ny mpianatra eny Vontovorona

Nanomboka omaly, teny amin’ny Sekoly ambony mi­kasika ny Polyteknika Von­to­vorona, ny «Herinandron’ ny fifandraisan-davitra», karakarain’ny Vondron’ny mpianatra amin’ny fifandraisan-davitra (GET). Anisan’ ny mpiara-miombon’antoka ma­nohana azy ny orinasa Von­dro­na Axian sy ny Tel­ma. Maromaro ny hetsika ha­namarihana izany. Nisy ny famelabelaran-kevitra, omaly maraina, nampahafantarana ny orinasa Axian sy ny Telma. Nilaza […]

Mahajanga: Vatosoa 185,5 kg saika haondrana an-tsokosoko

Manamafy ny minisiteran’ ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika (MMRS) fa tsy azo ekena sy leferina ny fandrobana ny harem-pirenena amin’ny lafiny rehetra. Tratra ny zoma 7 avrily teo, tany amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga ny vatosoa sarobidy (pierres gemmes), milanja 185,600 kilao. Anisan’ny fepetra norai­sin’ny minisitra Rakotomalala Herindrainy Olivier, […]