Taratra

Muay thai : « Tsy mbola nisitraka fanampiana tamin’ny fanjakana »

Miady irery hatreto! Izay ny vaovao voaray mikasika ny taranja Muay Thai, eto Madagasikara. “ Tsy mbola nahazo fanampiana avy tamin’ny minisiteran’ny Fa­nan­tan­jahantena izahay.”, hoy Rakotoalizao Hainatiana Ger­vais, filohan’ny Federa­siona malagasin’ny taranja Muay Thai. Nivoitra izany nandritra ny fifaninanam-pirenena, na­tao teny Mahamasina, ny 8-9 aprily lasa teo. “Tsy mbola nanohana […]

Asa fanaovan-gazety : nodimandry i Solofo Ratsifa

Mitohy ny raho-mainty mitatao eo amin’ny asa fanaovan-gazety misahana ny fanatanjahantena. Nindaosin’ny fa­hafatesana tamin’ny sabo­tsy, ny zokiolona Ratsifandri­hamanana Solofo Mamy. Anisan’ireo mpanao ga­zety sangany Itompokolahy, namolavola olona maro. Tena nanavanana azy ny fanadihadiana amin’ny baolina kitra sy ny familiana fiarakodia ary ny taranja tenisy, sns. Nanoratra tao amin’ny Midi Madagasikara […]

Judo – « Luanda 2023 »: tompondakan’i Afrika Rasoanaivo Laura

Norombahin-dRasoanaivo Razafy Aina Laura, ny medaly volamena, tamin’ny fifaninana « Luanda Junior African Cup » izay natao tany Angola. Nametraka azy ho isan’ny sangany maneran-tany amin’ny taranja Judo, sokajy latsaky ny 70 kg izany. Voahosotra ho tompondakan’i Afrika, nandritra ny fifaninanana «Luanda Junior African Cup», ho an’ny taranja Judo, sokajy vehivavy (-70 […]

Fitsangatsanganana Masina : nanovozan-kery ny « Chorale show »

Ny Koraïta avy ao amin’ny FJKM Manarintsoa Finoana, sy ny Jaws Band ary ny Chorale Feon’ny Fitiavana (Acut Ambohipo, Ankatso). Samy andrarezin’ny hira fiantsana ny hira evanjelika. Nafana ny teny an-tsehatra, satria, saika niompana tamin’ny Paska na ilay fotoana nandresen’i Kristy ny fahafatesana, ny hira nanakoako teny an-tsehatra. Na izany […]

Mila miala voly : mahazatra ny mitsangatsangana

Na tazana etsy sy eroa aza ny lanonana isan-karazany. Misy ny efa zatra mitsangatsangana. Efa zary kolontsain’ ny Malagasy isaky ny Alatsinain’ny Paska ny miala voly eny amin’ireo toerana heverina fa tsy handehanana matetika. Anisan’izany Ana­la­kely, raha ho an’ny eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Fitsangatsanganana tsotra, tsy handaniam-bola be loatra […]