Nofaranana vonjimaika eny anivon’ny distrika, omaly, ny lisitry ny mpifidy. Araka ny fitsirihana natao, mahatratra 66 313 ny anarana miverimberina. Mbola azo atao tsara ny fanitsiana… Miisa 10 069 136 ny olom-pirenena voasoratra amin’ny lisitry ny mpifidy, talohan’ny fanontana azy amin’ny fanakatonana vonjimaika eny anivon’ny distrika, omaly. Mahatratra 66 313 ny […]
Taratra
Tao anatin’ny telo volana : nahery vaika ny fifandonana, 12 ireo jiolahy lavo tao Toamasina
Tsy ankitsitsy! 12 sahady ireo jiolahy matin’ny mpitandro filaminana tamin’ny raharaha mafana toy ny fanafihana tao Toamasina, tao anatin’ny telo volana. Tao Toamasina renivohitra avokoa ny 11 tamin’ireo olon-dratsy maty ireo. Lavo tany Mahanoro ny roa hafa. Nahatrarana basy poleta 2 niaraka tamin’izy ireo. Ho an’ireo olona voatery nosamborina, tafakatra […]
Kolikoly !
Tsy misy sehatra iray ka tsy ahitana na andrenesana kolikoly amin’izao fotoana izao. Tena manafotra ilay fiarahamonina ny zava-misy. Very hasina tanteraka ny maha olombelona. Tsy miteny rehefa tsy vola. Ny endrika ivelany sy fisehosehoana no zary maridrefy ilazana fa « izany ka tena olombelona ». Tsy misy lanja intsony ny fanahy […]
Natelin’ny rano: niara-maty izy mianaka
Nampahonena ny nanjo ireto mpianaka. Niara-maty an-drano, rehefa namonjy fodiana. Avy namangy fianakaviana tamin’ny andro fety izy ireo. Niara-maty an-drano ny reniny sy ny zanany vavy, afakomaly. Tao amin’ny renirano Antarandrandrosiana, anatin’ny kaominina Itremo, distrikan’Ambatofinadrahana no nisehoan’ izany. Niala tao an-tranony tamin’ny 6 avrily, hamangy ny ray aman-dreniny amin’ny tanàna […]
Hetsika « Kobay » : miaramila iray maty voatifitra
Maty voatifitry ny dahalo nandritra ny fifandonana tao Soaserana, fokontany Tsinjorano, kaominina ambanivohitr’Ambia, distrikan’i Mahabo, ny sabotsy 9 avrily 2023 teo, ny miaramila kilasy faharoa Randriamaherisoa. Nanatanteraka hetsika “Kobay” ireo miaramila avy ao amin’ny bataillon infanterie Morondava ka nisy ny fifandonana nahery vaika tamin’ireo dahalo tompon’antoka tamin’ny fanafihana sesilany tamin’iny […]




