Taratra

Lalana Rocade: tratra ireo andian-jatovo mpanendaka sy mpively “bois rond”

Ditra sa asan-jiolahy tsotr’ izao? Tsy ny any Toamasina ihany fa manao ny ataony koa ny andian-jatovo mahery setra eto an-drenivohitra. Nana­mafy ny fisafoana fanaony eny amin’ny lalana Rocade ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahavalo (CSP8) taorian’ny tranga tsy fandriampahalemana miseholany amin’iny lalam-baovao iny. Nahitam-bokany izany satria andian-jatovo […]

Vavatenina : mpivarotra menaka jirofo sandoka voasambotra

Tra-tehaky ny mpitandro filaminana ny lehilahy iray nivarotra menaka jirofo sandoka tao Nosibe, kaominina Maromitety-Vavatenina, ny andron’ny Paska teo. Nanam­baka olona maro tamin’ny alalan’ny fisandohana ity lehilahy voasambotra ity. Niva­rotra io karazana menaka io izy. Lazainy tamin’izany fa menaka jirofo tena izy ireto amidiny ireto. Efa fanaony, araka izany, ny […]

Nandritra ny fetin’ny Paska… : jiolahy 21 tratran’ny polisy, roa maty voatifitra

Nanao izay ho afany tanteraka ny polisy nanao ny fandaminana nandritra ny fetin’ny Paka teo. Na teo aza anefa izany, jiolahy 21 tratran’ny polisy, roa maty voatifitra… Raha ny antontanisa nomen’ny eo anivon’ny polisim-pirenena, nandritra ny alahady sy ny alatsinainy teo, ho an’ny faritra Analamanga manokana, olona 59 no voasambotry […]

« Ligues des Champions Europe »: hidona ny Manchester City sy Bayern FC

Hotanterahina anio ny lalao ampahefa-dalana mandroso, hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions 2023”. Lalao andrasan’ny maro ny fihaonan’ny Manchester City, Ang­lisy sy ny Bayern Munchen, Alemà. Hotanterahina ao amin’ny Etihad Stadium ny lalao. Heverina ho toy ny famaranana kely satria samy manana mpilalao sangany izy ireo. Anisan’izany ry […]