Miroso amin’ny fanatanterahana ny fifaninanana nasionaly ny tomponandraikitra eto Madagasikara, taorian’ny fiovana nisy teo amin’ny fotoana hanatanterahana ny fifaninanana “Miss monde 2023”. Ny solontenan’ny Malagasy amin’ity fifaninanana ity izay efa vonona tanteraka. Namoaka fanambarana ofisialy ny Comité nationale de préparation de Miss Madagascar, CNMM, ny Zoma 7 avrily 2023, ny […]
Taratra
Fananan-tany : fototry ny olana ny tsy fahalalana ny lalàna
Nikarakara varavarana misokatra ho an’ny rehetra ny sampandraharahan’ny Fananan-tany, omaly, tetsy Anosy. Lohahevitra noraisina ny hoe: “ny fananan-tany sy ny fiangonana”. Tanjona ny hiadiana amin’ireo olana rehetra mikasika ny tsy fahafantarana ny lalàna mifehy ny fananan-tany eto amin’ny Nosy sy hanakaikezana ny vahoaka. Maro ny olona tsy mahalala ny lalàna […]
Masomboly zafindraony : ahazoana katsaka 8 taonina isaky ny hektara
Natao sonia, omaly, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), notarihin’ny minisitra, Ramilison Harifidy, sy ny Dr. John MacRobert, mpikaroka sady nisolo tena ny orinasa tsy miankina mpamokatra masomboly, Mukushi Seed Company (MSC), manana ny foibeny any Zimbabwe. Nanolotra masomboly fototra katsaka zafindraony ity orinasa ity […]
Orinasa WeLight : hofanina ny Malagasy mpandraharaha
Manamafy ny fahaiza-manao ny Malagasy mpandraharaha. Manampy azy hampiasa ny fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Ireo no tanjona napetraky ny orinasa WeLight. Nampiofana mpandraharaha maromaro avy any Fenoarivo Atsinanana ity orinasa lehibe ity hampiroboroboana ny tetikasany. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny sampandraharaha alemà, GIZ, amin’ny fampitaovana. “Hanafaingana ny fampiasana ny angovo […]
Hitondra fampandrososana : manohana ny Base Toliara ny Toko Bey Telo
Miha mazava amin’ny mponina eny ifotony, ankehitriny, ny fitrandrahana fasimainty ataon’ny Base Toliara. Nazava tamin’ny fikambanana Toko Bey Telo ny fanazavan’ny ONE sy ny INSTN, ka resy lahatra koa izy ireo fa tena hitondra fampandrosoana any Toliara sy Atsimo Andrefana ity tetikasa ity. Nohazavain’ny teknisian’ny Ofisim-pirenena misahana ny tontolo iainana […]




