Taratra

Orange Pro League : hifandona amin’ny Ajesaia ny Uscafoot

Hotanterahina anio sy ra­hampitso, ny andro faha-13n’ ny fifaninanam-pirenena, Orange Pro League 2023, taranja baolina kitra. Anisan’ ireo lalao tena andrasan’ny maro, ny fihaonan’ny Ajesaia Bongolava sy ny Uscafoot Analamanga. Lalaon’ny kaon­feransy avaratra, izay hotontosaina eny amin’ny kianja Alarobia, ny alahady 9 aprily ho avy izao. Marihina fa ekipa efa […]

Rugby vehivavy : manamafy ny tanjaka ara-batana ny Makis Ladies

Miditra amin’ny andro fahenina anio, ny fanomanantenan’ny Makis Ladies, atsy amin’ny ivotoerana teknika Stellenbosch, Afrika Atsimo. Mbola ny fanamafisana ny tanjaka ara-batana hatrany no hifantohan’izany. Araka ny fandaharam-potoana, tanterahina isaky ny tapakandro ma­raina izany. Miatrika fanomanana taktika sy teknika eny ambony kianja ny hariva. Ankoatra izay, misy ny fi­jerena lalao […]

Kitra- frankofonia : miray vondrona amin’i Congo ny Barea

Fantatra ny alakamisy lasa teo, ireo firenena hifanandrina amin’ny Barea de Madagas­car, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny lalaon’ny Tany miteny ampahany na manontolo ny teny frantsay (Jeux de la Franco­phonie 2023). Ao amin’ny vondrona “i”, miaraka amin’ ny RD Congo sy Congo Braz­zaville ary i Canada ny Mala­gasy. Ho fiatrehana […]

“World Cup 2023”: hanoman-tena any Frantsa ny Ankoay-U 19

Hamonjy ny fampivondronana faharoa any Frantsa ny Ankoay U19, rahampitso. Tsy isan’ny delegasiona, Rakotonanahary Donovan. Afaka hiatrika ny fifaninanana “World Cup 2023” any Hongrie kosa izy. Hiainga eto Madagasi­kara rahampitso, hihazo an’i Frantsa ny ekipam-pirenena Ankoay U-19. Misy mpilalao ny 14, sy mpanazatra roa, ary tomponandraikitra 4 ny delegasiona. Tsy […]

Fampianarana ambony : feno 20 taona ny fikambanam-behivavy avarapianarana

Nihaona tamin’ny minisitry ny Fampianarana am­bony sy ny fikarohana siantifika, Pr Assoumacou Elia Beatrice, ireo vehivavy ava­ra-pianarana siantifika, ta­min’ity herinandro ity. Namaritra ny tetikasa hoentiny hanamarihana ny faha-20 taona nijoroan’ny fikambanany izy ireo tamin’izany. Nisy ny fanazavana ny tondrozotra vaovao, hampivelarana ny fikambanana. Tanjona ny mba ho mpandray anjara feno […]