Taratra

Kaominina Talatamaty: Olona dimy naiditra am-ponja, tsy ampy taona ny roa

“Nandray anjara mivantana tamin’ny halatra sy vaky trano ny 28 janoary teo ireo olona dimy notanana vonjimaika any am-ponja taorian’ny fampanoavana”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Talatamaty, omaly. Naharay fitarainana avy amin’ny olon-tsotra ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana fa misy roa lahy tratra nisokitra vavahadin’olona. Notanana ireo […]

Anosibe sy Analakely: Mpangarom-paosy dimy voasambotra

Lehilahy dimy voasambotry ny polisim-pirenena nanao fanamiana sivily, omaly atoandro. Tratra teo am-panaovana asa ratsy sy nangarom-paosy ireto farany. Mpandeha an-tongotra sy miandry fiara fitateram-bahoaka etsy Anosibe sy Analakely ireo lasibatra. Tra-tehaka tetsy Anosibe ny efatra, raha tratra nangalatra miharo herisetra tetsy Analakely kosa ny iray hafa, omaly tamin’ny 12 […]

Mitam-basy sy misaron-tava : Jiolahy miiasa 11 mampihorohoro tanàna

Hifampitadiavana ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo ireo jiolahy 11 nandroba sy nampihorohoro teny Ambohimanjaka-Mahitsy, afakomaly alina. Namaky loha sy nandroba raim-pianakaviana izy ireo. Vaky loha noho ny daroka nandritra ny fanafihana nataon’ny jiolahy miisa 11 ny raim-pianakaviana iray ao amin’ny kaominina Ambohimanjaka-Mahisy. Mbola voaroba ihany koa ny volany an-tapitrisa, ny alarobia alina […]

Toekarena malagasy : Dinika fanaingana ho fitadiavam-bahaolana

Notanterahina tao amin’ny efitrano malalaky ny Pact (Port academy center Toamasina),  Ambodimanga-Toamasina, ny atrikasa fakan-kevitra ho fitadiavam-bahaolana momba ny toekarena malagasy, ny zoma 29 janoary lasa teo. Nitarika izany ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina. Nandraisan’ireo sam­pandraharaham-pan­ja­ka­na mandrafitra ny faritra Atsi­nanana, ireo mpandraharaha, mpitantana […]