Taratra

Orange Pro League : mitarika ny Fosa Jr sy ny Mama FC

Mitohy hatrany ny fifaninanam-pirenena « Orange Pro Leeague ». Hatreto, mitarika ao amin’ny vondrona misy azy ireo ekipa goa­vana. Taorian’ny andro faha-11 amin’ny « Orange Pro League » (OPL), taranja baolina kitra, mitana ny laharana voalohany amin’ ny vondrona misy azy avy ireo ekipa roa vaventy eto Madagasikara. Ny Fosa Junior Boeny ao amin’ny […]

Kitra frantsay : mety hijanona ao amin’ny PSG i Messi

Araka ny vaovao navoa­kan’ny Espaniola, omaly, mety hitohy hatramin’ny taona 2024 ny fifanarahana eo amin’ilay mpanjakan’ny baolina kitra arzantinina, Lionel Messi sy ny klioba frantsay Paris Saint Germain (PSG). Marihina fa tapitra amin’ny volana jona 2023 ny fiombonan’ny roa tonta. Tsiahivina fa tonga tao amin’ny PSG tamin’ ny volana aogositra […]

Judo-Fifaninanam-pirenena : hitiliana izay handrafitra ny ekipa nasionaly

Hotontosaina ny 14 hatramin’ny 16 avrily ho avy izao, ao amin’ny kianja mitafon’ Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy rehetra, taranja Judo. Hitiliana ireo mpikatroka mendrika handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, Cadets sy Juniors, ity fifaninanam-pirenena ity. Ara­ka ny efa fantatra, eto […]

QMM : nonerana vola ny mpanjono sy ny mpampiasa ny tany

Natao ny sabotsy 11 marsa teo ny fanonerana vola farany, nataon’ny orinasa QMM ho an’ny mpanjono sy ny mpampiasa ny harena voajanahary any Taolagnaro. Miisa 5.342 izy ireo no nahafeno ny ma­sontsivana, niarahana nametraka tamin’ny fomba tsy mitanila tamin’ny alalan’ny vaomiera iombonan’ny roa tonta, notarihin’ny faritra Anôsy. Mitotaly 11 miliara […]

AFROMEDI III : «Mahazo mitaky ny fandaniana amin’ny trosan’ny fireneny ny mpanao gazety”

Tanterahana any amin’ny Mensvic Hôtel, Accra, renivohitr’i Ghana, ny andiany fahatelo amin’ny African Media Initiative III (AFROMEDI). Tetikasan’ny African Forum and Network on debt and development, miaraka amin’ny Africa Centre for Energy Police. Tanjona ny hifampizarana traikefa sy hanatevenam-pahalalana ho an’ny mpampita vaovao momba ny fitantanana ny trosa eo anivon’ny […]