Taratra

Contribution et promotion vers l’avenir : tanora 104 nahazo fiofanana maimaimpoana

Ho fanampiana ny tanora hirotsaka amin’ny sehatry ny asa aorian’ny fahazoana diplaoma, manofana maimaimpoana ireo tanora manana mari-pahaizana amin’ny « comptabilité » ny Contribution et promotion vers l’avenir (CPA). Fandaharanasa hampiroboroboana ny fampananana asa no tanjona miaraka amin’ny fanofanana enim-bolana, araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana CPA, Ramiaramanana Rija Francis, ny faran’ny herinandro […]

Ratiarison Asaramanitra: tompondakan’i Afrika imbetsaka, tsy nisy nahatohitra teo amin’ny 48 kg

Ratiarison Asaramanitra, judokas azo lazaina mbola tanora kanefa efa nanoratra tantara maro teo amin’ity taranja ity. Karate no fanatanjahantena voalohany nataony niaraka tamin’ireo zokiny telo lahy. Ny rainy kosa no nitondra azy nanao fanazaran-tena Judo voalohany. “6 taona aho no nanomboka nanao Judo tao amin’ny Judo Club ESCA ary nijanona […]

Orange Pro League : lavon’ny TFFC ny Uscafoot

Tsy nampoizin’ny rehetra ny voka-dalao tamin’ny andro faha-11 ny fifaninanam-pirenena, Orange Pro League (OPL). Lavon’ny Tsaramandroso For­mation FC (TFFC) Boeny, tamin’ny isa 3 no ho 1, ny Uscafoot Analamanga. Fihao­nana notanterahina tetsy amin’ ny kianjan’Ambohidra­trimo, ny sabotsy 25 marsa lasa teo. Raha hiverenana ny lalao, ny TFFC no nitarika, tamin’ny […]

Fifanintsanana Can 2023 : vonona hanao « Remontada » ny Barea anio

Hiezaka hanoratra tantara vaovao ny Barea anio, vonona hanao “remontada” amin’ny les Fauves Centrafrique izy ireo. Lalao hotanterahina ao amin’ny kianjan’ny Douala Cameroun, amin’ny 4 ora folakandro, ora eto Madagasi­kara. Fihaonana tafiditra amin’ ny andro fahefatra, amin’ny fifanintsanana isam-bon­drona, ho fandraisana anjara amin’ny Can 2023, hatao any Côte d’Ivoire. Tsy […]

SESAM and-3 : niara-nikotrana ny mpandray anjara

Mizotra an-tsakany sy an-davany ny fanomanana ny andiany faha-3 amin’ny hetsika Sesam (Sports Extrêmes et Salon des Arts martiaux), hatao ny 5, 6, 7 mey izao, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Ho fanomezana fahafaham-po ireo mpitsidika, niaraka nanao fanazaran-tena sy famerenana, ny seho hataon’izy ireo, ny mpandray anjara amin’ity hetsika […]