Tsy nisy ny zava-bita montsana saingy nitranga ny tsy nampoizina, nandritra ny fifaninanam-pirenena, taranja atletisma Telma semi-marathon. Fifaninanana, notanterahina teto Antananarivo, omaly alahady. Resin’i Fulgence, atletan’ny Crown, Vakinankaratra, efa 47 taona i Mampitroatse, anisan’ireo nanjakazaka tamin’ity halavirana 21 km ity. Nandrasan’ny rehetra ny fihaonana teo amin’ity sokajy lehilahy ity. Raha […]
Taratra
Rugby AROI : norombahan’ny Makis de Madagascar U18 lehilahy ny amboara
Nihofahofa tatsy amin’ny Nosy La Réunion indray ny saina malagasy nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Ranomasimbe Indianina (AROI), taranja rugby, sokajy zandriny U18 sy U16. Norombahan’ny Makis lehilahy ny amboara ho an’ny U18; Notanterahina tatsy amin’ny Stade Paul-Julius Benard, ST Paul, La Réunion, ny zoma 24 sy ny sabotsy […]
Hay kanto : misongadina hatrany ny mpianatry ny Anac
Notanterahina ny alahady 26 marsa 2023, teny amin’ny Ivokolo Analakely ny fampisehoana mozika sy dihy , niarahana tamin’ny mpianatra nivoaka teo anivon’ny Academie Nationale des Arts et de la Culture (Anac). Ny tarika Maf’Be no niandraikitra ny fampisehoana teo amin’ny dihy, raha ny Voa’Art kosa no teo amin’ny lafiny mozika. Tanjona […]
Faribolana Sandratra : narahina « Alimbetso » ny « Zarafanahy » XII
Tolakandron’ny asabotsy 25 marsa teo, nafana ny fihaonan’ny « mpiraifaribolana » sy ny mpanatrika mpitia asa soratra, tetsy amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM / GZ) tohatohabaton’Antaninarenina. Tafaraka sy nifandimby teny an-tsehatra ireo mpanoratra 13 mianadahy avy ao amin’ny Faribolana Sandratra. Samy naneho ny talentany amin’ny fanoratana sy fiantsana ny tsirairay. Ireo sanganasa anisan’ny […]
Toko telo : voatahirin’ny tantara, soratra, fivavahana ny teny
Nomarihina, omaly, ny faha-200 taona namoahan’ny mpanjaka Radama I ny lalàna momba ny abidia malagasy. Nanatanteraka izany, tao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga ,ny Havàtsa-Upem. Fantatra fa ny tantara sy ny soratra ary ny fivavahana kristianina no toko telo ho an’ny fitahirizana ny teny malagasy. Na tsy mbola maro aza ny […]




