Notontosaina, omaly, teny Ambatobe ny lanonam-pamoahana ny andia « Miray », mpikabary niofana tao amin’ny Taria Mikabary. Andiany faha-4 navoakan’ity fikambanana ity izy 19 mianadahy ireto, raha ny fanazavan-dRajoelison Dimby Tahiana, filohany. Tazana ao anatin’ny andia « Miray » avokoa ny sokajy taninkentsa, mpiofana, mpandalina ary ny mpampianatra. Niavaka noho ireo teo aloha izy […]
Taratra
STM JJ Rabearivelo: efa taratra ny hoavin’ny teatra malagasy
Somary nangingina ny sehatry ny teatra malagasy tao anatin’ny taona vitsivitsy. Manomboka miverina maka ny toerany kosa izy ankehitriny. Mbola tafapetraka amin’ny maha izy azy ny teatra ary mbola maro ihany koa ny mpankafy. Tontosa ny Alahady 26 marsa 2023, teny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo, AFT Andavamamba, ny fampisehoana nampitondraina […]
Fiatrehana ny fifidianana : mitaky ny hitohizan’ny dinika ny Pnud
Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ahitana ny avy amin’ny Pnud, ny Vondrona Eoropeanina (UE), ny Vondrona Afrikanina (UA) ary ny Frankofonia (OIF). Nankasitraka ny dingana vitan’ny Ceni tamin’ny dinika nandraisan’ny rehetra anjara izy ireo, mba hahatongavana amin’ny fifidianana mangarahara. Hahatongavana amin’ny fifidianana anaty fitoniana izany, manoloana ny fisokafan’ny […]
Andrianainarivelo Hajo : “Antoky ny fanajana ny zo ny fitsinjaram-pahefana”
Nitohy tany Antsiranana indray ny famelabelaran-kevitra nataon’ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-mianga, Andrianainarivelo Hajo, ny herinandro teo. “Endriky ny fitsinjaram-pahefana no sady antoky ny fanajana ny zo maha olona, imasoan’ny foto-kevitra demokraty hery afovoany ny fahalalahan’ny olom-pirenena mandraharaha sy mandray andraikitra”, hoy izy. Nanteriny fa ilaina koa ny fahaizana mifampiraharaha […]
Filoha teo aloha, Ravalomanana : “Tsy anisan’ireo mitaky fitondrana tetezamita ny Tim”
Notanterahina ny sabotsy teo, teny Ambohimanarina, ny hetsika fifampiarahabana eo anivon’ny Tim eny amin’iny boriborintany iny. Nambaran’ ny filoha nasionaly, Ravalomanana Marc tamin’izany fa tsy azo ekena ny hevitry ny sasany. “Tsy anisan’ireo mitaky na mikononkonona fitondrana tetezamita izany isika. Efa izao ny fahoriana mahazo antsika sy ny firenena ve […]




