Tsy namelan’ny fokonolona sy ny zandary, avotra soa aman-tsara ireo omby miisa 11 nalain’ny dahalo tao Amparihimanga, kaominina Mananasy, anatin’ny distrikan’i Soavinandriana, ny zoma 24 marsa teo. Nentin’ny dahalo nitrongo fitaovam-piadiana ireo omby ireo tamin’io. Nirifatra nandositra ny olon-dratsy niaraka tamin’ireo omby. Nanao fanarahan-dia avy hatrany ny fokonolona. Nanampy azy […]
Taratra
Famonoana mpiandry: jiolahy iray lavo iray hafa azo velona
Mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha namonoana ilay renim-pianakaviana sady mpiandry ao amin’ny FLM Soatanana fokontany Ambohitrevo, kaominina Tovona, distrika Farafangana, herinandro lasa izay. Ny alakamisy teo, voasambotra taorian’ny velam-pandrika nataon’ny zandary mpanao famotorana ny roa lahy ahina ho nahavanon-doza. Fantatra amin’ny anarana Medy sy Olo ireo jiolahy tratra. […]
Itaosy : lehilahy tratra namboly rongony
Tratran’ny polisy teny Ambolotara Itaosy, ny sabotsy teo, ny lehilahy iray voarohirohy ho mpanao trafikana zava-mahadomelina. Mamboly sady mivarotra izy. Nanao hetsika manokana ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Itaosy noho ny firongatry ny zava-mahadomelina eny an-toerana. Nisy paikady nataon’ny polisy tamin’ny alalan’ireo nanao fanamiana sivily. Lehilahy iray no voasambotra tao […]
Ambodivona Ankadifotsy : mpanendaka roa lahy nitondra antsy maty voatifitra
Nirefodrefotra ny basy tetsy Ambodivona, omaly. Lavon’ny polisim-pirenena ny jiolahy roa lahy mpanendaka, anisan’ireo mampitondra faisana ny mpiara-belona eny an-toerana. Maro ny lasibatrin’ ireto mpanendaka ireto ary mampikaikaika ny maro ny asa ratsiny. Tao ny very entana, nisy koa ny naratra sy namoy ny ainy. Maro ihany koa ny fitarainana […]
Gret – Tetikasa lalankely : hisitraka ny fokontany 75 ato anatin’ny CUA
Nampahafantarina afakomaly, tao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ny tetikasa lalankely andiany fahatelo. Tantanan’ny orinasa GRET sy vatsian’ny AFD (Agence Française de Développement) vola. Hisitraka izany ny fokontany 75 eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Havaozina sy hamboarina avokoa ny lalankely any anelakela-trano rehetra, ny arabe, tatatra, paompy, fanasan-damba, trano fidiovana, trano […]




