Taratra

Vavaka ho an’ny firenena : nampahatsiahy ny fikaonandoha ny FFKM

Notanterahina omaly, tetsy amin’ny FJKM Analakely, ny fotoam-pivavahana natao ho an’ny tanindrazana sy ny vahoaka,amin’izao fahatsiarovana ny 29 marsa izao. Nam­pita hafatra fohy tamin’izany ny filohan’ny FFKM, ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi. Notsiahiviny ny fangatahana vavaka mba hampahomby ireo dingana samihafa hamorian’ny fiangonana efa-tonta ny zanany. Ho­tanterahina intelo miantoana izany, […]

Famoriam-bahoaka : voasakantsakana ny Mihava Tour tany Mananjary

Tsy tanteraka hatramin’ny farany. Nikasa hanao hetsika famoriam-bahoaka tany Mananjary ireo depiote sy ny Mihava Tour. Niharan’ny sakantsakana anefa izany… Tafiditra amin’ny toerana manokana, an’ny depiote Mamihaja Charlot, ihany ireo mpanohana ny Mihava Tour sy ireo mpiara-dia amin’ireo solombavambahoaka na teo aza ny sakantsakana. Tsy afaka nampiasa ny fanamafisam-peo sy […]

Madera Namontana: jiolahy saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahadimy (CSP 5) Mahamasina, omaly ta­min’ny 1 ora maraina teny Madera Namontana, ny jio­lahy iray raindahiny amin’ny fanafihana. Naharay antso ny polisy fa misy andian-jiolahy nanafika tranona ramatoa iray eny Namontana. Lasan’ireo mpanafika tamin’izany ny vola 4 hetsy Ar sy telefaonina finday […]

An-kitsin-jo sy an-kitsim-po

Hanao ahoana ihany ny ho fiatrehana ny fifidianana? Ny ataon’ny tena ihany no mahasoa na maharatsy ny fandehan-draharaha. Tena handeha an-kitsin-jo sy an-kitsim-po amin’ny fanatsarana ny ny zotram-pifidianana ve ireo mpisehatra rehetra amin’ny fifidianana, indrindra ny mpanao politika? Ho hita eo… Samy hotsaraina amin’izay lazainy sy ataony avy ny tsirairay. […]

Notorin’ olon-tsotra : naiditra am-ponja i Lola Rasoamaharo

Naiditra am-ponja vonjimaika, afakomaly alina, i Lola Rasoamaharo. Notorin’olon-tsotra, nilaza fa saika hakana 885 tapitrisa Ariary tsy ara-drariny izy. Tsy misy idirany amin’ny asa fanaovan-gazety ny raharaha. Eny Antanimora, nanomboka ny sabotsy alina, i Lola Rasoamaharo sy ny lehilahy iray. Nosambo­rina, natolotra ny fitsarana avy hatrany izy ireo, noho ny […]