Mitaky ny hanamafisana ny fiarovana ny indostria eto an-toerana ny Sim manoloana ny tombana vaovao momba ny politika ara-barotra eto Madagasikara, nanomboka ny alarobia teo. Tanjona ny hiarovana ny tsena eto an-toerana manoloana ny fifaninanana. Mbola sarotra ho an’ny indostria ny manondrana ny vokatra any ivelany manoloana ny faharatsian’ireo fotodrafitrasa […]
Taratra
Fampandrosoana : Sarotra ny fidiran’ny tanora eo amin’ny tsenan’ny asa
Ambany ny taham-pahafahan’ny tanora malagasy miditra eo amin’ny tsenan’ny asa na betsaka aza ireo nandrato fianarana noho ireo zokiny teo aloha. 42% ny tahan’ny tanora tsy an’asa eo anelanelan’ny 18 ka hatramin’ny 35 taona, raha ny fanadihadian’ny « Afrobarometer Round 10 » eto Madagasikara. Ambony io taha io raha oharina tamin’ireo zoky […]
Harena an-kibon’ny tany : Antoky ny rano sy ny angovo ny ala
Nanatanteraka ny adidy fambolen-kazo 2024-2025 ny fianakaviamben’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny harena stratejika (MMRS), omaly. Teny Tsiakarana, fokontany Antanimenabe, kaominina Masindray, ny toerana nanatontosana izany, notarihin’ny minisitra Rakotomalalala Herindrainy Olivier. Lohahevitra noraisina amin’izany « ny ala antoky ny rano sy ny angovo ». Miisa 5 000 ny zana-kazo novolena, tamin’ny velaran-tany […]
Fandaharanasa Sanoi: Nahomby ny tetikasa Mifampibaby
Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa Sanoi ny fanatsarana ny famokarana sy ny manodidina ny sakafo. Tanjona ny hisian’ny fiovam-pihetsika, toy ny nataon’ny tetikasa Mifampibaby. Niasa tany amin’ny faritra telo (Analamanga, Bongolava, Itasy) ny tetikasa Mifampibaby, tohanan’ny Fandaharanasa fanjarian-tsakafo aty amin’ny ranomasimbe Indiana (Sanoi). Nilaza Rasoamiaramanana Reine, mpandrindra ny tetikasa ao amin’ny […]
Fanavaozana lisi-pifidianana : Tsy an’ny Ceni irery ny fanentanana
“Tsy anjaran’ny Ceni irery ny fanentanana ny olom-pirenena amin’ny fisoratana anarana eny anivon’ny fokontany ao anatin’izao fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana izao”, hoy ny mpanolotsaina eo anivon’ny birao maharitry ny Ceni, Ravalitera Jacques Michaël. Teny Alarobia, omaly, manoloana ny famaranana vonjimaika ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (Rale) anio 15 febroary no nanambarany izany. Manana […]