Taratra

Fantina sy fintina

Hiatrika ny fihaonana an-tampony eo amin’i Rosia sy i Afrika ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, raha tsy misy ny fiovana. Hotanterahina ny 28 sy ny 29 septambra ho avy izao izany. Hodinihina amin’izany ny fiaraha-miasa eo amin’i Rosia sy i Afrika. Ao anatin’izany ny varotra sy ny fampiasam-bola ary […]

Fanatsarana ny zotram-pifidianana: horaisin’ny Ceni sy ny FFKM ny tolo-kevitra teny Iavoloha

Tsy ho very anjavony. Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa horaisin’ny FFKM an-tanana ireo tolo-kevitra rehetra ho fanatsarana ny zotram-pifidianana natao teny Iavoloha. Horaisin’ny Ceni koa izany. « Hisy ny vaomiera handray sy handamina ary hampiditra izany amin’ireo lohahevitra amin’ny fikaonandoham-pirenena », hoy ny loharanom-baovao, taorian’ny nifaranan’ny fakan-kevitra nataon’ny filoham-panjakana nandritra ny fito andro. […]

Tselatra 

Nanapoaka basy tao amin’ny faritry ny tokotaniny, teny Soavimbahoaka, ny mpandraharaha iray, ny alin’ny alarobia. Mamo izy ary nihevitra fa nisy jiolahy tafiditra tao an-tranony. Niditra an-tsehatra ny polisy ka niteraka fifampitifirana hafa izany. Nosamborina ny tenany taorian’izay, hadihadiana eny amin’ny biraon’ny polisy. Tsy nisy ny naratra sy ny ainy […]

Telo lahy nivarotra cocaïne: migadra, nogiazana ny 80 tapitrisa Ar

Niakatra fampanoavana tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany, notanana am-ponja ireo telo lahy nahatrarana rongony mahery vaika cocaïne tao Sambava. Manoloana ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, naharay loharanom-baovao momba ny fisiana olona mivarotra ity karazan-drongony ity ny mpitandro filaminana. Voasambotra ireo olona miisa telo voarohirohy, ny alatsinainy 7 septambra lasa teo. Natao ny […]

Dokotera iray naiditra am-ponja: ”Saika handoro an’i Tsiafahy”, hoy ny mpampanoa lalàna

Naiditra am-ponja ny olona fito, voalaza fa nikasa ny handoro ny fonjaben’i Tsiafahy. ”Mbola saika hampandositra ny kolonely Rakotomamonjy Patrick koa izy ireo”, hoy ny mpampanoa lalàna , Rakotoniaina Narindra Navalona, omaly. Nisy saika handoro ny fonjaben’i Tsiafahy, ny alahady 23 aogositra lasa teo.  Voarohirohy tamin’izany ny olona fito ka […]