Hiseho amin’ny fahitalavitra ny 26 marsa 2023 ny fifaninanana «The Voice Africa», fampisehoana hanehoana ny talentan’ireo tanora afrikanina. Fifaninanana tohanan’ny Airtel Africa miaraka amin’ny ”Fame Studios Africa” hanehoana ny fandaharana, hita amin’ny fahitalavitra maimaimpoana sy Airtel TV. 78 804 no efa nisoratra anarana hifaninanana, avy amin’ny firenena maro aty Afrika, anisan’izany […]
Taratra
Slam-poésie: hiverina ny fifaninanana an-tsekoly
Hiverina ny fifaninanana Slam eny anivon’ny sekoly. Ny “Slam-poésie” izay anisan’ny fantsona afaka mampita fanabeazana sy fahalalana. Hisy indray ny «Tournoi inter-établissement», eo amin’ny Slam-poésie, karakarain’ny Alliance Française d’Antananarivo, Aft Andavamamba miaraka amin’ ny fikambanana Madagaslam. Ny ankizy sy tanora 13 hatramin’ny 17 taona, eny anivon’ny sekoly no hasaina handray […]
Fifanintsanana «Can 2023» : najanona i Ibrahim sy i Datsiry
Tsy anisan’ireo nihazo an’ i Douala Cameroun i Ibrahim sy i Datsiry amin’ny fiatrehana ny lalao miverina hiadian-toerana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2023), taranja baolina kitra. Fihaonana, hikatrohana amin’ny Les Fauves-n’i Centrafrique ary tafiditra amin’ny andro fahefatra. Noho ny ratra nahazo azy ireo no anton’izany, araka ny […]
Toeram-pikotranana Anosy : natao hisarihana ny tanora hanao fanatanjahantena
Noho ny fahitana ny firongatry ny tanora mifoka zava-mahadomelina, nasiana fitaovana ara-panantanjahatena eo Anosy, mba hanoherana izany. Nosokafan’ Andriatsitohaina Naina, ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra (CUA) tamin’ny fomba ofisialy izy io, omaly, niaraka tamin’ny masoivohon’i Chine. Tsiahivina fa efa ao anatin’ny tetikasan’ny ben’ny Tanànan’ny CUA ny hampivoatra ny fanantanjahantena sy ny fialamboly […]
Basikety: hilalao ao amin’ny Lamelo Ball i Donovan
Tsy mitsahatra mivoatra ny mpilalao basikety malagasy any ivelany. Voaantso hilalao ao amin’ny Lamelo Ball, ny mpilalaon’ny Ankoay, Rakotonanahary Donovan, amin’izao fanombohan’ny taom-pikatrohana izao. Nambarany fa hilalao amin’ny AAU (Amateur Athletic Union), Team 1 OF 1 izy ary miaraka amin’ny ekipan’ny Lamelo Ball. Ny taona 1888 no efa nisy ny […]




