Taratra

ANS Ampefiloha : « Lasan’ireo tsy mpianatra ny efitrano rehetra », hoy Ranavela Charles

Naneho ny alahelony ireo mpampianatra sy mpianatra taloha teny amin’ny ivontoerana Academie Nationale des Sports Ampefiloha, toa an-dRanavela Charles, omaly. Voalaza fa lasan’ireo tsy mpianatra ny efitrano rehetra. «Mampalahelo ny zava-misy ankehitriny satria lasan’ireo tsy mahita trano eto Antananarivo ny efitrano rehetra ho an’ny mpianatra eto amin’ny ANS Ampe­filoha », hoy […]

26 marsa 2023 : 200 taona ny lalàn’ny abidia malagasy

Raha ny tantara voasoratra, ny mpanjaka Radama I, no namoaka ny lalàna momba ny abidia malagasy ny 26 marsa 1823. Anisan’ny hanamarika io vanim-potoana lehibe io ny fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra Malagasy, Havàtsa-Upem. Hetsika ho­tan­terahina ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga, rahampitso manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Hevi-dehibe hiompanan’ny […]

Tohin’ny fanamarihana ny faha-70 taona: hivelatra kokoa ny « Star Tour » any Antsirabe

Efa fotoam-bita ! Raikitra indray ny « Star Tour » any Antsirabe, izay hanokafana ny amin’ity taona ity. Mipetraka hatrany ny fanamby goavana ho an’ny mpikarakara. Anatin’ny fanamarihana ny faha-70 taonan’ny Star avokoa ny hetsika rehetra amin’ity taona ity. Mba hampiavaka izany, hivelatra kokoa noho ny mahazatra isan-taona ny « Star Tour ». Hano­mboka ao […]

Fametraham-pialan’ireo fiarahamonina sivily: “Tsy te-hanome vahana ny tsimatimanota izahay”

Mitsipaka marindrano ny fampihenana ny herin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac) ireo fiarahamonina sivily, miisa 15. Nanao fanambarana fametraham-pialana faobe izy ireo. Anton’izany ny korontana eo amin’ny fitantanana noho ny lalàna « Idealson ». Efa tsy miantoka intsony ny fahaleovantenan’ny Pac ilay lalàna. Mamotika ireo ezaka natao, tamin’ny nametrahana ny […]

Fitakian’ny SMM – Raharaha Toamasina : “Aoka hiverina amin’ny fanapahan-keviny ny préfet”

Hentitra ny nambaran’ny eo anivon’ny Sendikàn’ny mpitsara (SMM), amin’ny alalan’ny filohany, Andrian­tsihorisoa Mbitanarivo, oma­ly, tetsy Ankorahotra. “Taki­nay tsy misy fepetra sy tsy misy hatakandro ny hisintonan’ny Préfet-n’i Toamasina ny fanapahana noraisiny taorian’ny fivorian’ny OMC, tsy natrehin’ny tonia mpampanoa lalàna, manoloana ny fanapahana ara-panjakana noraisiny ny 9 marsa teo, momba ny […]