Tsy mitsahatra mivoatra ny mpilalao basikety malagasy any ivelany. Voaantso hilalao ao amin’ny Lamelo Ball, ny mpilalaon’ny Ankoay, Rakotonanahary Donovan, amin’izao fanombohan’ny taom-pikatrohana izao. Nambarany fa hilalao amin’ny AAU (Amateur Athletic Union), Team 1 OF 1 izy ary miaraka amin’ny ekipan’ny Lamelo Ball. Ny taona 1888 no efa nisy ny […]
Taratra
ANS Ampefiloha : « Lasan’ireo tsy mpianatra ny efitrano rehetra », hoy Ranavela Charles
Naneho ny alahelony ireo mpampianatra sy mpianatra taloha teny amin’ny ivontoerana Academie Nationale des Sports Ampefiloha, toa an-dRanavela Charles, omaly. Voalaza fa lasan’ireo tsy mpianatra ny efitrano rehetra. «Mampalahelo ny zava-misy ankehitriny satria lasan’ireo tsy mahita trano eto Antananarivo ny efitrano rehetra ho an’ny mpianatra eto amin’ny ANS Ampefiloha », hoy […]
26 marsa 2023 : 200 taona ny lalàn’ny abidia malagasy
Raha ny tantara voasoratra, ny mpanjaka Radama I, no namoaka ny lalàna momba ny abidia malagasy ny 26 marsa 1823. Anisan’ny hanamarika io vanim-potoana lehibe io ny fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra Malagasy, Havàtsa-Upem. Hetsika hotanterahina ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga, rahampitso manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Hevi-dehibe hiompanan’ny […]
Tohin’ny fanamarihana ny faha-70 taona: hivelatra kokoa ny « Star Tour » any Antsirabe
Efa fotoam-bita ! Raikitra indray ny « Star Tour » any Antsirabe, izay hanokafana ny amin’ity taona ity. Mipetraka hatrany ny fanamby goavana ho an’ny mpikarakara. Anatin’ny fanamarihana ny faha-70 taonan’ny Star avokoa ny hetsika rehetra amin’ity taona ity. Mba hampiavaka izany, hivelatra kokoa noho ny mahazatra isan-taona ny « Star Tour ». Hanomboka ao […]
Fametraham-pialan’ireo fiarahamonina sivily: “Tsy te-hanome vahana ny tsimatimanota izahay”
Mitsipaka marindrano ny fampihenana ny herin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac) ireo fiarahamonina sivily, miisa 15. Nanao fanambarana fametraham-pialana faobe izy ireo. Anton’izany ny korontana eo amin’ny fitantanana noho ny lalàna « Idealson ». Efa tsy miantoka intsony ny fahaleovantenan’ny Pac ilay lalàna. Mamotika ireo ezaka natao, tamin’ny nametrahana ny […]




