Niakatra fampanoavana omaly, notanana am-ponja vonjimaika miandry ny didim-pitsarana azy ny lehilahy iray. Voatondro ho nandroba mpivady efa samy misotra ronono, tetsy Ampandrana izy. Niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray. Nandroba vola mitetina 4 hetsy, ny alahady 12 marsa lasa teo. “Sendra nivoaka hifoaka sigara teto an-tokontany aho ny maraina. […]
Taratra
Ambohitrevo Soatanana : vehivavy mpiandry iray maty voatifitra
Nipoaka ny basy tao Soatanana, fokontany Ambohitrevo, kaominina Tobona, distrika Farafangana. Nitrangana fanafihana mitam-piadina tao amina tokantranona renim-pianakaviana sady mpiandry ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) tao an-toerana, ny sabotsy 18 marsa tokony ho tamin’ny 9 ora alina. Niditra an-keriny tao an-tranony ny jiolahy telo lahy nirongo basy. Nitady azy ka […]
Naniratsira mpitsara : lehilahy iray naiditra am-ponja eny Antanimora
Tsy faly tamin’ny didim-pitsarana ka narahin’ny lehilahy tany anaty birao no mbola notevatevaina ny mpitsara mpamoaka didy.Vokany, nosamborina sy nogadraina koa izy. Tsy nanaiky ny didim-pitsarana, voatazona am-ponja omaly, ny lehilahy iray voatondro ho namingavinga mpitsara tetsy Anosy. Ny herinandro lasa teo, nivoaka ny didy momba ny raharaham-panolanana iray. Nalefa […]
Minisitera MMRS : nanome ra maimaim-poana ny mpiasa
« Manome ra, manome aina ». Ankoatra ny maha mpisehatra amin’ny toekarena azy, manana adidy amin’ny lafiny sosialy koa ny ao amin’ny minisiteran’ny Harena an- kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika (MM RS). Nanatanteraka fanomezan-dra maimaim-poana teny amin’ny Amphithéâtre Ampandrianomby ny fianakaviamben’izy ireo, omaly. Hetsika niarahana tamin’ny foibe famindrana ra eo amin’ny minisiteran’ny […]
Miandrivazo : raha be indrindra, 20 sisa ny omby tonga ao an-tsena
Tsy malaza intsony ny tsenan’omby ao Miandrivazo, azo lazaina fa renivohitry ny tsenan’omby ao amin’ny faritra Menabe nandritra ny taona maro. Saingy nanomboka ny taona 2000, nahazo laka ny halatra omby tany an-toerana noho ny asan-dahalo, dia maro ny velon-taraina sy namoizana ain’olona. Teo amin’ny taona 2018, nanomboka ny fanadiovana […]




