Taratra

Atsimo Atsinanana : sahirana ireo mpiompy tantely

Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy teo, tany Atsimo Atsinanana, mikorontana koa ny fiompiana tantely. Arahi-maso ny tranon-tantely raha mbola mamokatra tsara, indrindra ny karazana Mel­lifera Unicolor, izay tsy misy afa-tsy eto amin’ny Nosy. Mi­savorovoro taorian’ny rivodoza ny andro iainan’ireo tantely ireo. Nahitana fiantraikany in­drindra ny tranony, tsy afaka mivoaka ireo tantely […]

Jono tafahoatra : tandindonin-doza ny trondro lamatra

Manaitra ny Vondrona eo­ropeanina (UE) sy ny governemanta malagasy ny Fi­kam­banana tsy miankina amin’ny fanjakana, ONG, ao anatin’ny Fiarahamonim-pirenena (OSC). Miahiahy mafy izy ireo, satria « tsy misy mihitsy ny ezaka atao hampiatoana ny fanjonoana mihoampampana ny lamatra sy ny karazan-trondro mitovy aminy aty amin’ny Ranomasimbe In­diana (OI). Miantraika any amin’ny […]

Harena an-kibon’ny tany : fiaraha-miasa amin’i Kanada sy Iran

Nandray diplaomaty roa misesy ny minisitry ny Ha­rena an-kibon’ny tany sy ny harena stratejika, Rakoto­ma­lala Herindrainy Olivier, oma­ly. Voalohany, ny masoivoho vaovaon’i Kanada, Christo­pher Cooter, monina atsy Afri­ka Atsimo. Manana ny toerany amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ma­neran-tany i Kanada. Noma­rihin’ity masoivoho ity fa tonga eto amintsika ny tenany, […]

« SOS Vanille » : afa-po tamin’ny dinika niarahana tamin’ny fanjakana

Nivaha ihany ny olan’ny lavanila rehefa avy nihaona tamin’ny « SOS Vanille » ny iraka nalefan’ny governemanta tany Sambava, tamin’ny 23 marsa teo. Afa-po tamin’ny dinika niarahana ny « SOS Vanille ». Afa-po tamin’ny dinika niarahana tamin’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta ny mpandraharahan’ny lavanila tany Sambava. Nanome toky aloha ny « SOS Vanille » fa tsy […]

Fifaninanana : hisy ny “The Voice Africa”

Hiseho amin’ny fahitalavitra ny 26 marsa 2023 ny fifaninanana «The Voice Africa», fampisehoana hanehoana ny talentan’ireo tanora afrikanina. Fifaninanana tohanan’ny Airtel Africa miaraka amin’ny ”Fame Studios Africa” hanehoana ny fandaharana, hita amin’ny fahitalavitra maimaimpoana sy Airtel TV. 78 804 no efa nisoratra anarana hifaninanana, avy amin’ny firenena maro aty Afrika, anisan’izany […]