Taratra

Dihy ara-panatanjahantena-Rijamanitra : « Mila tohana ara-teknika ny mpandihy malagasy »

Nitondra ny heviny, ny filohan’ny federasiona mala­gasin’ny dihy ara-panatanjahantena, Randrianarisoa Rija­manitra, taorian’ny nandrombahan’ny atleta malagasy ny medaly volafotsy, tany La Réunion. «Manana ny maha izy azy ary manana fahaizana ny mpandihy malagasy saingy mila tohana ara-teknika», hoy ny nambarany. Ilaina ihany koa, hoy izy, ny fifaneraserana amin’ny any any ivelany, […]

Kitra : Hitily mpilalao ao amin’ny Elgeco Plus ny Paris FC

Miara-miasa amin’ny fampandrosoana ny baolina kitra ny Paris FC sy ny Elgeco Plus. Io no fantatra nandritra ny valan-dresaka nataon’i Granddi Ngoyi, mpitily mpilalao ao amin’ity ekipa parizianina ity sy ny tomponandraikitry ny Elgeco Plus, ta­min’ny mpanao gazety, omaly teny amin’ny kianja By-pass. Tsy ao anatin’ny fandaharam-potoanany ny ho eto […]

Fifanintsanana Can 2024 : milalao anio i Centrafrique sy i Madagasikara

Raikitra ny baolina, hifandona amin’ny Barean’i Madagasikara ny les Fauves avy any Centrafrique, anio. Lalao tafiditra amin’ny andro fahatelo ny fifanintsanana Can Côte d’Ivoire 2024. Tonga ny fotoana nandrasan’ny mpakafy baolina kitra malagasy. Hi­fanandrina amin’ny les Fauves Centrafrique ny Barean’i Ma­dagasikara. Lalaon’ny andro fahatelo amin’ny fifanintsanana Can Côte d’Ivoire 2024, […]

Ambolomadinika : jiolahy tratra teo amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy

Voasambotry ny polisy miasa ao Toamasina, afakomaly maraina ny jiolahy raindahiny niaraka tamin’ny antsy. Voarohirohy ho mpanao herisetra sy halatra ao Ambolomadinika ity jiolahy ity. Nanamafy ny polisy fa mitohy hatrany ny asa fa­mongorana ireo olon-dratsy mampitaraina ny vahoaka ao Toamasina. Nahitam-bokany izany satria tratra nanao ny asa ratsiny vao […]

Faravohitra : tratra ambodiomby Ra-Gista mpamaky trano

Voasambotry ny zandary mpanao fisafoana, omaly, teny Faravohitra, Ra-Gista. Mpamaky trano gagilahy sady mampikaikaika ny mponina eny amin’ny manodidina izy. Omaly, nisy nahita teo am-panaovana ny asa ratsiny ny lehilahy. Nampandrene­sina avy hatrany ny zandary ka tonga tsy nisy hatak’andro. Vokany, tratra ambodiomby ilay jiolahy ka dia noraisim-potsiny. Taorian’io, natolotra […]