“Tsy matoky ny HCC izahay satria mampanahy ny firaisana tsikombakomba amin’ny fahefana mpanatanteraka, ka tsy voahaja intsony ny lalàmpanorenana. Manahy izahay ny tsy hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra, izay lalana mankany amin’ny krizy.” Io ny fanambaran’ny depiote 15 avy amin’ny fanoherana, teny Ambohimanambola, omaly, novakin’ny depiote Johasy […]
Taratra
Ny hevitra no miady
Miharatsy andro aman’alina ny toe-draharaha politika eto Madagasikara, ankehitriny. Mampahatsiahy tantara ratsy, indrindra ireo karazana krizy nisesisesy ka nahatonga izao fahantrana mangitsokitsoka andro aman’alina izao. Manomboka miseho lany ny herisetra amin’ny endriny samihafa, miafara any amin’ny fandatsahan-dra sy fikasihan-tanana. Manomboka miseho lany ny korontana, noho ny fiarovana tombontsoa manokana. Zary […]
Savorovoro politika : manomboka ny herisetra sy ny fifampihantsiana
Tsy vitan’ny fifanasana vangy sy fitakiana mamory vahoaka intsony ny hetsika politika na sosialy eto Madagasikara. Tonga any amin’ny fifampihantsiana sy fikasihan-tanana izany. Romotra ny vahoaka! Voadaroka sy nendahin’ny olona ny lehilahy iray, mpamily Bajaj, niakanjo vonimboasary, nisy sarin’ny Filohan’ny Repoblika tany Sambava, omaly. Nosamaritahan’ny fokonolona, naneho fahatezerana noho ny […]
Vontovorona : mpianatra mianadahy voasambotra
Mihamafy ny fifandonan’ny mpianatra sy ny mpitandro filaminana eny amin’ny Politeknika Vontovorona. Omaly, niditra tany anatin’ny faritry ny oniversite ny mpitandro filaminana nanapoaka baomba mandatsa-dranomaso. Nilaza ny mpianatra fa nisy vehivavy naman’izy ireo nodarohan’ny mpitandro filaminana. Mpianatra telo hafa nosamborina. Nanamafy kosa ny zandary ao an-toerana fa mpianatra mianadahy anisan’ireo […]
Kaominina Befotaka : dahalo iray maty, omby 41 tafaverina
Ravan’ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ireo kalony ny halatr’omby nataona andian-jiolahy tao Ankapilaboara, fokontany Ilaza, kaominina Befotaka , ny alakamisy 16 marsa teo. Nirongo fitaovam-piadiana, miisa 32 ireo dahalo nanao fanafihana. Voaroba ny omby 55 ka nirifatra nandositra izy ireo. Nampandre ny zandary eny an-kianja avy hatrany ny ben’ny Tanàna ao an-toerana. […]




