Taratra

Ambohimanarina: mpamongady rongony nahatrarana 201 kg

Mamatsy rongony an’ Antananarivo ! Noraisim-potsiny ny olona dimy niaraka tamin’ny rongony 201 kg tetsy Ambohimiadana Am­bohi­manarina, afakomaly. Na­haray vaovao avy amin’ny tsara sitrapo, nanao ny fanadihadiana nahafahana namongotra ity tambazotra mpivarotra rongony ity, ny eo anivon’ ny zandary. Voamarina fa misy mpivarotra rongony ikoizana tokoa ao amin’io toerana voalaza io. Nahazo […]

Miarinarivo : voafonja miasa manatsara tanàna

Miara-mientana amin’ny fampandrosoana ny tanàna ireo voafonja ao Miarinarivo. Mandray anjara mivantana amin’ny alalan’ny fanamboarana ny lalana « pavé » izy ireo. Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ireo tomponandraikitra ao an-toerana toy ny Governora Maherizo Andria­manana, ny DREFTP Itasy, ny kaomisarian’ny polisy Miari­na­rivo, ny ben’ny Tanànan’i Miarinarivo ary ny fandraharahana ny fonja. Miasa […]

Vaky trano sy fanendahana : efa-dahy naiditra am-ponja

Tsy mandry andro sy alina ny polisy avy eo amin’ny Compagnie Urbaine d’Inter­vention izay sampana anivon’ ny Commissariat Central etsy Bazary ary ambany fibaikoan’ny Commissaire central,  Rakotondrainivonona Panoel Tsiky, izay vao nandray ny asany telo volana lasa izay. « Tsy maha olom-baovao ny fametrahana fandriampahalemana ho an’ny vahoaka », hoy izy. Vokany, […]

Fanaovana pasipaoro : mpisoloky telo voasambotra teo Anosy

Hentitra ny fanaraha-maso ny olona manamboatra pasipaoro, nanomboka omaly, ao Anosy. Manararaotra ny mpisoloky noho ny fahamaroan’ny olona. Miisa telo sahady ireo voasambotry ny polisy omaly, rehefa nisoloky olona milaza ho mahavita pasipaoro. Natao fanadihadiana izy ireo ary hiakatra fampanoavana aorian’izay. Raha tsiahivina, niverina amin’ny laoniny, nanomboka omaly ny fanamboarana […]

Basikety-« Mondial U19 » : tonga hiatrika fampivondronana Andriatsarafara Lova

Mpilalao anisan’ny voaan­tso hiatrika ny fampivondronana ho fanomanana ny “Mondial U19”, taranja basikety Andriatsarafara Lova. Anisan’ny mpilalao malagasy mila ravinahitra any ivelany, nitondra ny anjara birikiny tanteraka ka nahazoana ny vokatra tsara nandritra ny “Afrobasket U18”, ny taona 2022 farany teo izy. Nigadona teto Madagasikara ny 21 marsa teo, i […]