Voadona mafy ny faritra Vatovavy taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy, fa talohan’izay efa nisy ny Cheneso, tamin’ny janoary 2023 namely ny faritra. Tandindonin-doza ny faritra amin’ny tsy fahampian-tsakafo. Efa olona amana hetsiny maro no tratran’ny tsy fahampian-tsakafo, ny faran’ny taona 2022, mbola nampian’ny rivodoza tamin’ ny fiandohan’ity taona ity, vao mainka […]
Taratra
Andron’ny ala : asongadina ny fahombiazana
Nitsangana ny vovonana iraisan’ireo mpisehatra amin’ ny faritra arovana eto Madagasikara. Ankalazaina anio ny Andro maneran-tany ho an’ny ala. Manome lanja manokana ny fahombiazana eo amin’ny sehatry ny fiarovana ny ala ity vovonana ity, miampy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpisehatra, mba hisian’ny firoboroboan’ny toekarena maharitra eto Madagasikara. Hasongadina ao anatin’ […]
Fahasimban’ny natiora: 15 000 ny karazam-biby ahina ho lany tamingana maneran-tany
Manodidina ny 15 000 ny karazam-biby ahina ho lany tamingana maneran-tany, raha ny fikarohana nataon’ny UICN (Union Internationale pour la conservation de la nature) tamin’ny 2022. Mahatratra 70% ny taham-pihenan’izany nanomboka ny taona 1970 hatramin’izao. Anisan’ny misedra olana ihany koa i Madagasikara. Toy ny fiovan’ny toetr’andro, ny fahasimban’ny toeram-ponenan’ny zava-mananaina… […]
Maevatanana : Sinoa miisa telo nitrandraka volamena tsy ara-dalàna tany Marokoro
Maro ny fitrandrahana gaboraraka ny harena ambanin’ny tany eto amintsika. Manamarina izany ny fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna any Maevatanana, nahatraran’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany mpitrandraka vahiny tao amin’ny reniranon’i Kamoro, any amin’ny kaominina Marokoro. Nidina ifotony tany amin’ny faritra Betsiboka ny delegasiona avy amin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny […]
Fomba amam-panao : rahampitso ny Taombaovao malagasy
Ny Malagasy, manana ny fombany ! Ezahina haverina sy hampahafantarina ny taranaka aty aoriana ireny fomba amam-panao ireny, amin’ny vanim-potoana lehibe tahaka izao. Fidiovana sy tsodrano. Ireo no anisan’ ny tanterahina anio sy rahampitso. Fidiovana eo amin’ny Malagasy tsirairay, eo amin’ny toerana sy ny faritra ary ny firenena iray manontolo. […]




