Taratra

SENVH : ho vita ao anatin’ny telo volana ny tetikasa Teleferika

Efa am-perinasa ny Teleferika amin’ny lalaon’ny Nosy hotanterahina eto amintsika. Efa tomombana ny lafiny teknika rehetra ary mizotra amin’ny tokony ho izy ny asa. Nidina tetsy Anosy ni­jery ny fizotran’ny asa fametrahana ny teleferika ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana (SENVH), Andriamanohisoa Gérard, omaly. Eo no hipetraka […]

Kolikoly: Very vola ny fanjakana amin’ny volamena

Tsy mazava ny fitrandrahana volamena eto Mada­ga­sikara, araka ny fahitan’ny Tranparency International azy. Raha ny fanadihadiana natao, dia sehatra iray anjakan’ny kolikoly sy varo-maizina ny volamena, ary mahafatiantoka ny fanjakana, satria “olom-panjakana ambony iha­ny no tompon’antoka amin’­izany”. Tsy takona afenina intsony ny fisian’ny risoriso amin’ny varotra volamena. Rabenan­drasana Clément, iray […]

Toekarena – SIAE : hiavaka ny fihaonan’ny mpisehatra rehetra eto amin’ny Nosy

Hotanterahina eny amin’ny CCI Ivato, ny 1 hatramin’ny 4 jona izao, ny « Salon International des acteurs économiques » (SIAE). Andiany faharoa ny hetsika, karakarain’ny Riano Agency. Hiavaka ny fihaonan’ny mpisehatra ara-toekarena rehetra eto amin’ny Nosy mandritra izany. Fotoana iray hampisondrotana azy ireo amin’ny lafiny tsa­­ra kokoa. Hamaritana soritr’asa hamahana ireo olana […]

Taninketsa indostrialy : vita ny fanodinana tantely any Mahajanga

Vita tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fananganana orinasa fanodinana tantely any Mahajanga, ao anatin’ny tetikasa distrika iray, orinasa iray (Odof). Natolotry ny minisitra misahana ny varotra, Razafindravahy Edgard izany tao amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria (CCI) any an-toerana. Tantely kendrena amin’ izany ny ho afaka amidy eto an-toerana sy […]