Vokatra tsara ny azon’i Laura, judokas malagasy, tao anatin’ny herinandro. Mitantara ny niainany sy nanomanany ireny fifaninanana ireny izy. Gazety Taratra (*) : Nanao ahoana ny niatrehana ny « Open d’Afrique de Tunis » sy « Coupe d’Afrique d’Alger »? Rasoanaivo Razafy Laura (-) : Nahafinaritra ny niatrehana ny « Open d’Afrique de Tunis » sy ny « Coupe […]
Taratra
Tsy fandriampahalemana: mirongatra ny asan-dahalo any Menabe
Tsy milamina ! Mirongatra ny asan-dahalo mampijaly sy mampitoreo ny mponina any Menabe. Anisan’izany ny nahafatesana zandary iray tany amin’ny kaominina Befasy, Morondava raha ny tapany atsimo. Mavaivay koa ny tsy fandriampahalemana ho an’ny any avaratra. Nisehoana « Kidnapping » ny herinandro teo, tao amin’ny kaominina Tsarahotana, Belo Tsiribihina. Nalaina an-keriny ireo […]
Escadron transport Arivonimamo: voatendry ho kaomandy vaovao ny Kly Raminosoa Fetra
Notontosaina ny zoma teo, teny amin’ny “Escadron transport Arivonimamo” na ny tobim-pamaharan’ny Tafika ana habakabaka 213. Roa sosona ny lanonana ara-miaramila tamin’izany. Eo ny fandraisan’ny Kly Raminosoa Fetrarivony ny kaomandin’ny toby vaovao, ny fibaikoana ny “base aérienne 213”. Teo koa ny fanaovam-beloma ara-miaramila na “adieux aux armes” ny kaomandin’ny toby […]
Boriborintany I : raikitra ny hetsika ara-pahasalamana
Hotanterahina eny amin’ ny boriborintany voalohany manomboka anio ary haharitra efatr’andro ny fahasalamana manakaiky vahoaka. Ho tonga ao amin’ny Centre NRJ ny dokotera sy ireo mpiasan’ny fahasalamana hanatanteraka izany, handray ireo olona manao fizaham-pahasalamana. Tolotra ara-pahasalamana maro no ho hita mandritra io efatr’andro io. Anisan’ izany ny fizahana maso maimaimpoana […]
Feno 45 taona ny CEG Ivato : manantena ny fotodrafitrasa vaovao nampanantenain’ny mpitondra
Nanokatra ny fanamarihana ny faha-45 taona niorenany ny CEG Ivato, ny faran’ ny herinandro teo. Tamin’ izany no nanaovan’izy ireo antso avo amin’ny filoham-pirenena ny hamitana ny fotodrafitrasa vaovao sy ny fanavaozana izay nampanantenainy tamin’ny taon-dasa. Efa tena tranainy ny fotodrafitrasa amin’izao fotoana. Nilaza ny talen-tsekoly fa efa tandindonin-doza ireo […]




