Anisan’ny voafidy hiatrika ny “Festival international de cinéma vues d’Afrique” andiany faha-39 ny horonantsarin’i Edgar Ravahatra, notontosain’i Andry Ranarisoa, nampitondrainy ny lohateny hoe “Imanitrala”. Ho tanterahana any Montréal, ny 21 hatramin’ny 30 Aprily 2023 ny hetsika. Hasandratra mandritra izany tontolon’ny horonantsary aty Afrika sy ny Ranomasimbe Indianina. Mpanatontosa sy mpamokatra […]
Taratra
Fanokafana ny taona Teatraly 2023 : nosafidiana ny sanganasan-dRabearivelo
Hisokatra ny alahady 26 marsa izao ny taona teatraly 2023. Ao amin’ny AFT Andavamamba no hanaovana ny hetsika fanokafana, ka nisafidianana ny Sakaizan’ny Teatra malagasy Lycée Rabearivelo hanao ny hetsika. Nofantenana manokana, araka izany, ireo sanganasan-dRabearivelo, hoentina an-tsehatra amin’io fotoana io. “Lovasoa” (Bel heritage), “Andrianiko ny teniko, ny an’ ny […]
Amboditsiry: hatao mozea ny tranon’ny praiminisitra Rainilaiarivony
Hisalotra ny anarana « Mozea Rainilaiarivony » ny tranon’ny praiminisitra taloha, etsy Amboditsiry. Hisokatra tsy ho ela, ho azon’ny besinimaro tsidihana izany. Vako-pirenena ny trano fonenan’ny praiminisitra Rainilairivony, etsy Amboditsiry. Efa voasokajy tanaty lisitra, nanomboka ny 4 septambra 1978 ity toerana ity. Maromaro y ny tetikasa nokasaina hatramin’izay, saingy tsy nisy tanteraka. […]
Simba ny any Mandraka : tapatapaka ny herinaratry ny Jirama
Tapatapaka ny famatsiana herinaratra eto Antananarivo Renivohitra, tato ho ato. Araka ny fanambaran’ny Jirama, tsy tomombana ny milina mpamokatra herinaratra efatra any Mandraka. Nitarika ny filatsahan’ny vata mpanova herinaratra (transformateur) TR7 sy TR8 ao Ambohimanambola izany. Vokany, tsy ampy ny tanjaky ny herinaratra vatsiana ao amin’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Talohan’izany, […]
Fampandrosoana : fitakiana hanaovana ho distrika an’Imady
Manana fikambanana ny terak’Imady monina eny Ambohipo. Mitsinjo hatrany ny hisian’ny fampandrosoana any amin’ity toerana nihaviany ity izy ireo. Nanao fihaonambe ny mpikambana ny alahady 19 marsa teo, teny Ambolokandrina. Isan’ny nivoitra ny fangatahana amin’ny fanjakana ny hanaovana an’Imady ho distrika izay mbola kaominina hatramin’izao ao anatin’ny faritra Amoron’i Mania. […]




