Feno telo taona ny 17 marsa teo ny naha governoran’ny faritra Atsinanana, an-dRafidison Richard. Nitatitra ny zava-bitany ny tenany, teo amin’ny lafiny toekarena, ny sosialy sns, ka isan’izany ny fanaovan-dalana. Nahatratra 2 miliara Ar isan-taona ny fampiasam-bolan’ny faritra Atsinanana, notarihin’ny governora Rafidison Richard. Isan’ny goavana nampiasana azy ny fananganana fotodrafitrasa, […]
Taratra
Tao anatin’ny herinandro: olona iray matin’ny covid-19
Nahafaty olona iray indray ny valanaretina covid-19 tao anatin’ny herinandro (11-17 marsa). Mahatratra 30 kosa ireo trangan’aretina vaovao hita tamin’ireo olona 260 nanaovana fitiliana. Eto Analamanga avokoa ny 23 amin’ireo olona nahitana ny tsimokaretina. Olona 6 kosa no fantatra fa misy tsimokaretina any Vakinankaratra ary 1 any Atsinanana. Midika izany […]
Fahasalamam-bahoaka : manampahaizana 237 nahavita fianarana
Nivoaka ny zoma lasa teo ny mpianatra miisa 237, avy amin’ny sekoly ambony tsy miankina, InSPNMad. Nisalotra ny anarana «Meva» ity andiany ity. Nahitana mpampivelona miisa 119, mpitsabo mpanampy 99 mianadahy, teknisianina amin’ny fanaovana fitiliana «technicien de laboratoire» miisa fito, ary mpitsabo amin’ny alalan’ny otra «kinésithérapeute» miisa 12. Notanterahana teny […]
Tontolon’ny oniversite: mitady vahaolana ny minisitera sy ny fikambanan’ny mpianatra
Manoloana ny fanatsarana takin’ny tontolon’ny fampianarana ambony. Miara-mitady ny vahaolana ho an’ny tontolon’ny oniversite ny minisitera sy ny fikambanan’ny mpianatra. Nihaona tamin’ny fikambanana sy ny mpitarika ny fikambanan’ny mpianatra avy amin’ny faritra 23 ny minisitra Assoumacou Elia Beatrice, ministry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, ny faran’ny herinandro teo. […]
Fifanintsanana Can 2024: nivondrona nanomboka omaly ny Barea
Telo andro sisa, hihaona amin’ny les Fauves de Centrafrique ny Barea. Lalao tafiditra amin’ny fifanintsanana Can Côte d’Ivoire 2024, hotontosaina ny alakamisy 23 marsa ho avy izao, etsy amin’ ny kianjan’ny Barea Mahamasina. Notanterahina omaly teny Mahamasina ny fampivondronana ny Barea. Tonga dia nanomboka ny fanazaranten’ izy ireo, taorian’ny nahatongavan’ireo […]




