Taratra

Fikaroham-bahaolana: nikaondoha ny etamazaoro politika mpanohitra

Nihaona, tsy azo natrehin’ny mpanao gazety teny Ambohimanambola ny etamazaoro politika maromaro, ny zoma teo. Tsy nisy nipika ny dinika, izay naharitra ora efatra. Fikaroham-bahaolana isorohana korontana! Nanatanteraka fikaonandoha ny mpanohitra ny zoma lasa teo, teny Ambo­himanambola. Nisongadina ny handraisan’izy ireo andraikitra noho ny fahitana fa misedra olana ny vahoaka […]

Fihaonan’ny antoko Tim : nirefotra ny grenady lakrimozenina, nisy torana sempotra

Nisavorovoro ! Raikitra ihany ny fihaonan’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalo­manana Marc tamin’ny vahoaka na nosembantsembanin’ny Emmo/Reg aza teny Avara­bohitra, afakomaly. Nirefotra ny lakrimozenina, nandravana ireo nisesika hiditra ny vavahadin’olon-tsotra, hanaovana ny hetsika. Tafiditra ihany ny maro tamin’izy ireo. Nisy kosa ny torana, sempotry ny baomba mandatsa-dranomaso.Nambaran’ny mpanorina ny Tim, voahitsakitsaka […]

Mbola tsy fandriampahalemana ihany…

Mbola tsy fandriampahalemana ihany… Mandra-pahoviana? Tsy hita hovisavisaina sy hotanisaina. Efa mby amin’ny tsy zaka sy tsy azo leferina ny raharaha amin’izao: fandatsahana aina, fakana takalon’aina, fiparitahan’ny zava-mahadomelina… Tsy inona fa filalaovana sy famiravirana aina. Na ho an’ny mpanao ratsy sahy mivarotra aina fa tsy mataho-maty izany, na ho an’izay […]

Fiara voafaokan’ny lamasinina : telo namoy ny ainy, tapa-doha ny iray

Nifandona tao Andekaleka, ny lamasinina sy ny fiara 4×4 iray, tamin’ny sabotsy. Maty tsy tra-drano ny teknisianina telo lahy, mpiasan’ny Jirama. Tapa-doha ny iray tamin’izy ireo. Mampihorin-koditra ny lozam-pifamoivoizana, niseho tany Andekaleka, afakomaly hariva. Tokony tamin’ny 6 ora sy 50 mn no nisehoan’izany. Voatrongin’ny lamasinina ny fiara 4×4 iray, nitondra […]

Tsy tiana handova : nasain’izy mivady novonoina ny vinanto sy ny zafikelin’izy ireo

Naiditra am-ponja vonjimaika ny alakamisy teo ny rafozan’ilay ramatoa talen-tsekoly novonoina niaraka ta­min-janany, tao Antanimena, kaominina Manakambahiny Andrefana, distrikan’Amba­tondrazaka. Voasambotra ny herinandro lasa teo ny vavy antitra iray 66 taona sy rangahy vadiny 70 taona. Ahina ho atidoha nikotrika ilay vono olona izy ireo. Taorian’ny famotorana lalina nataon’ny zandarimaria, tratra […]