Nikononkonona fanafihana, ravan’ny zandary ka maty ny roa tamin’ireo jiolahy tao Ambohimiandra, ny alakamisy 16 marsa teo. Nikaon-doha tao anaty trano kely anatin’io tanàna io, tsikaritry ny fokonolona io fikambanan-jiolahy io. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ny olona tsara sitrapo. Nidina ifotony ny zandary. Niparitaka nandositra ireo jiolahy. Vaky […]
Taratra
Mafy ny fifandonana : miaramila iray maty voatifitry ny dahalo tao amin’ny hatony
Tsiponin’ny dahalo tsikelikely! Maty voatifitry ny dahalo ny miaramila Kilasy faharoa, Duray, miasa ao amin’ ny compagnie d’infanterie 505 Ankazoabo, ny alakamisy lasa teo. Nitrangana halatra omby tany an-toerana ka nanara-dia ireo malaso ny zandary sy miaramila. Raikitra ny fifandonana teo amin’ ny mpanara-dia sy ireo dahalo tao amin’ny kizon’ […]
Nogiazan’ny zandary: roa lahy nahatrarana rongony 287 kilao
Sendra ny mpitandro filaminana nanao fisafoana, noraisim-potsiny ny roa lahy nitondra rongony tamina gony maromaro tao Akiembe, seranan-dakana iray ao Toliara, ny talata lasa teo. Notanterina avy any amin’ny fokontany iray atao hoe Lanevato ireto rongony ireto. Efa nisy olona voatondro handray izany rehefa tonga tao Akiembe kinanjo tra-tehaka ireto […]
Halatra zaza varira : avotra i Olivette, roa lahy voasambotra
Avotra teny amin’ireo olon-dratsy i Olivette, zazavavikely varira natao takalon’aina tao Ambalateza, kaominina Manantenina, faritra Anosy. Nalaina an-keriny ny 10 febroary , avy eo tsy hita popoka intsony. Nisokatra taorian’izay ny famotorana. Fantatra fa nisy olona roa mivezivezy tao Taolagnaro mitady mpividy zaza varira. Natao ny vela-pandrika, tratra tao amin’ny […]
Rugby – XXL Top 20 : adin’ny samy boaty ny lalaon’ny 3FB sy ny Savony
Hitohy rahampitso alahady, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny andro fahatelo hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby XXL Top 20. Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra ny fifandonan’ny 3FB sy ny STM (Savony). Fifanandrinan’ny samy boaty, ity. Raha ara-taratasy aloha manantombo ny 3FB ary hanala vela ny Savony. Eo ihany koa […]




