Hanala ny ahiahin’ny maro ? Nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, omaly, teny Ambohimanarina fa handalo fitsirihana na « audit » ny rindrambaiko sy ny fikirakirana ara-kajimirindra entin’izy ireo mikirakira ny fifidianana. Hisahana izany ny eo anivon’ny Frankofonia (OIF) ka hanomboka amin’ny herinandro ny fitsirihana. “Hampahafantarina ny rehetra ny ho […]
Taratra
Antenimierandoholona : fitsidihan’ny solontenan’ny UA
Handao tsy ho ela an’i Madagasikara ny solontenan’ny Vondrona afrikanina (UA) eto amintsika, Rtoa Hawa Ahmed Yousouf. Nitsidika ho fanaovam-beloma ny filohan’ny Antenimierandoholona (PS), Razafimahefa Herimanana, izy, omaly, tetsy amin’ny Lapa Anosy. Nisaorany ny fiaraha-miasa eo amin’ny UA sy ny Antenimierandoholona. Tsapany ny ezaka nataon’ity andrimpanjakana ity, eto an-toerana sy […]
Fifidianana filoham-pirenena: malalaka amin’ny kandidà hotohanany ny mpikambana Avi
Nitohy tany Toliara indray ny fihaonamben’ny antoko Avi. Nitarika izany tany an-toerana ny filoha nasionaly teo aloha, Ratsirahonana Norbert Lala. Mazava ny nambarany momba ny fifidianana filoham-pirenena. Nambarany fa ao anaty fitondrana ny Avi amin’izao fotoana izao ary tsy mbola manana kandidà hotohanana. Mbola tsy nisy nanao fanambarana ho kandidà […]
Sambo rendrika : razana 11 natsingevan’ny rano, tafakatra 32 ireo maty
Mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao ny raharaha momba ilay sambo rendrika saika hitondra olona antsokosoko atsy amin’ny Nosy Mayotte. Omaly, niampy 11 ny nofo mangatsiaka hitan’ny mpitandro filaminana, tany akaikin’ny Nosy Faly. Vehivavy ny dimy tamin’ireo maty, lehilahy ny efatra raha toa ka zaza kosa ny roa. Ankehitriny, mitotaly 32 […]
Kivy Ramalagasy !
Mampihoron-koditra ny zava-nisy tany Ambilobe, nahafatesana olona marobe noho ny sambo rendrika. Nanantena fiainana tsaratsara kokoa, kanefa nivadika ho nofy ratsy sy fahafatesana. Hatramin’ny omaly, tsy fantatra mazava ny isan’ny olona niondrana satria ankoatra ny namoy ny ainy voaisa sy ny velona, mbola mahita razana hafa miisa 11 be izao […]




