Tsy nitsanga-menatra ihany koa ny solontena malagasy niatrika ny fifaninanana “Championnat Multidanse” natao tany La Réunion, ny faran’ny herinandro teo. Nahazo medaly volafotsy i Toky sy i Valencia, izay nankasitrahan’ny mpitsara manokana ny fahaizan’izy ireo. Tsiahivina fa fanasana avy amin’i La Réunion ny nahafahan’i Madagasikara nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity, […]
Taratra
«Ligue des Champions»: hihaona amin’ny Manchester City ny Leipzig
Hotanterahina manomboka anio ny lalao ampahavalon-dalana miverina ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions” (LDC). Hihaona amin’izany ny Manchester City, Anglisy sy ny Leipzig, Alemà. Fifanandrinana hatao ao amin’ny kianjan’ny Etihad Stadium. Azo heverina fa hiady ny lalao, samy tsy manana tombony amin’ny isa ny roa tonta. Nandritra […]
Judo-Junior : laharana faha-4 eran-tany Rasoanaivo Laura
Nampiakatra ny laharany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny nandrombahan-dRasoanaivo Razafy Laura ny medaly volamena 2, nandritra ny fifaninanana “Open de Tunis African Cup”, taranja Judo. Fifaninanana natao tany Tunisie, ny faran’ny herinandro teo. Tafakatra laharana faha-4 eran-tany, eo amin’ny sokajy Junior, araka izany, ity Judoka malagasy ity, noho ny vokatra […]
Tae-kwon-do : miady ny tapakila hiatrehana ny JO 2024 i Nicolas de Gonzague
Mpitsara malagasy tae-kwon-do tokana miady ny tapakila hiatrehana ny lalao Olympika (JO 2024), hatao any Paris, Randriamiandrisoa Nicolas de Gonzague (Ra-Gonz), mipetraka any Frantsa. “Sarotra ny lalana diavina, mila herim-po sy herin-tsaina”, hoy izy. Gazety Taratra (*) : Any Frantsa ianao Ra-Gonz, mbola manao tae-kwon-do sa efa mpanazatra? Nicolas de Gonzague […]
Indray mijery
Niditra nianatra ny 6 marsa daholo ireo mpianatra ao amin’ny foibem-pitondram-paritry ny fanabeazam-pirenena Vatovavy, taorian’ny fiatoana nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Freddy. Na nisy aza ireo sekoly simba sy ravan’izany rivodoza izany dia nisitraka tranolay 124 avy amin’ny Unicef sy efatra avy amin’ny Save the children ny faritra ka narafitra natao […]




