Taratra

Fasana kaominaly Toamasina : novakin’ny jiolahy ny fiaran’ny mpandevina

Lasan’ny jiolahy ny vola sy ny entana lafo vidy tao anatin’ireo fiara tsy mataho-dalana an’ireo mpandevina tao amin’ny fasana kaominaly Anjoma Toamasina, ny zoma tolakandro teo. Nandritra ny fandevenana ny vatana mangatsiakan’ilay mpandraharaha mpanefoefo sady fanta-daza teo amin’ny sehatry ny politika, nandritra ny fitondran’ny amiraly Ratsiraka, no nitrangan’izany. Tonga marobe […]

Sambo rendrika: hita ilay vehivavy bevohoka nitsoaka

Hitan’ny mpitandro filaminana ilay vehivavy mitondra vohoka, anisan’ireo avotra tamin’ilay lozan-dranomasina ny sabotsy teo. Nitsoaka toy ireo namany hafa avotra tamin’ilay loza izy saingy hitan’ny mpitandro filaminana ny hopitaly nisy azy. Ankehitriny, hanokafana fa­motorana io vehivavy io sady manohy ny fitsaboana ihany koa. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, nahatratra 22 ireo […]

Fampiasam-bola : nodinihana hatramin’ny 2019 ny volavolan-dalàna

Manome antoka ny mpa­mpiasa vola ny nandraisan’ny Filankevitry ny ministra ny volavolan-dalàna momba ny fampiasam-bola eto Mada­gasikara. Nifampidinihana hatramin’ny taona 2019 niaraka tamin’ireo avy amin’ny sehatra tsy miankina rehetra, ny mpiara-miombon’antoka teknika sy ara-bola, ny mpamatsy vola toy ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Vondrona Eoro­penina. Tapaka teo anivon’ny Vao­miera CRDA […]