Taratra

Fampandrosoana eny ifotony : naneho firaisankina ny zanak’Isandra

Nahatsapa ireo zanak’Isan­dra fa tsy hita taratra ny fampivondronana ireo mponina any an-toerana, tao anatin’ny taona maro. Tonga anefa ny fotoana. “Anisan’ny fahombiazana ho amin’ny fampandrosoana ny fanehoana firaisankina sy ny fitambarana tahaka izao”, hoy ireo nandaha-teny tao amin’ny kaominina Soatanana, nanaovana ny hetsika. Nanterin’izy ireo fa tokony hatambatra ny […]

Fandrantoana fianarana any Maraoka : velon-taraina ireo ray aman-drenin’ny mpianatra

Tsy afaka ny hangina intsony. Mitaraina ireo ray aman-drenin’ny mpianatra mampiana-janaka any Maraoka, amin’izao fotoana izao. Nambaran’ izy ireo, omaly, fa tsy tanteraka ny fampanantenana nomen’ny fanjakana amin’ny hamerenana ny volan’ireo ray aman-dreny, nataon’izy ireo saran-dalana tamin’ny fiaramanidina “Billet d’avion”. Efa nilaza ary mbola nanamafy ny filoha Rajoelina Andry, tamin’ny […]

Takaitran’ny rivodoza : nanampy ny traboina i Camille Vital

Tsy namela ho irery ny mpiray tanindrazana ny ambasadaoro any Maorisy, ny Jly Camille Vital. Naneho ny fiaraha-miory sy fiaraha-mientana ary fifanohanana amin’ny mpiray tanindrazana ny tenany ka nanolotra fanampiana ho an’ireo traboina, noho ny rivodoza farany teo. Nitondra ny anjara birikiny tamin’izany, amin’ny alalan’ny antoko Hi­araka isika ka nandefa […]

Fiaraha-miasan’ny FES sy ny UE : hatsangana ny sehatra hanofanana ireo mpanao politika

Natao tetsy Ankadifotsy, omaly, ny fampahafantarana ny tetikasa ho amin’ny fanentanana ny olom-pirenena mba handray andraikitra amin’ny dingana eo amin’ny fifidianana. Miara-miasa amin’izany ny eo anivon’ny FES sy ny avy amin’ny delegasion’ny Vondrona Eoropeanina (UE). Anisan’ny kendren’ny FES ny hananganana sehatra ifanakalozan-kevitra ho an’ireo mpisehatra politika. Ao anatin’izany ny fanofanana amin’ny […]

Filoha Rajoelina Andry mivady : ankizy 7200 nahazo fanomezana tany Atsimo Andrefana

Niverina tao Toliara in­dray, omaly, ny filoha Ra­joelina Andry mivady ary nizara kilalao sy kojakoja samihafa ho an’ny ankizy 2 hatramin’ny 14 taona, miisa 7 200. Tafiditra amin’ny tetikasa, iarahana amin’ny “Sama­ritan’s Pruse”, any Etazonia izy io ary mandray izany eto ny ONG Tetikasa ankizy krismasy (Tak). Fanomezana avy amin’ny […]