Taratra

Loholona Eddie Fernand: nidina ifotony tany Sava…

Nitohy ny herinandro teo ny fitsidihan’ny loholona, i Eddie Fernand ny tany Sava. Niatrika hetsika samihafa tany an-toerana ny tenany. Nivoitra tamin’izany ny fa­moahana ireo polisy monisipaly, tao Antalaha. Nankasi­traka ny fanatrehany izany ireo nandray fitenenana. Zava-dehibe rahateo ny fampanjakana ny fandriampahalemana. “Porofo izao fa miahy mandrakariva ny kaominina ny […]

“Magnafana 2023”: nanao hetsika fizaham-pahasalamana any Atsimo ny “Bataillon médical”

Ao anatin’ny vinan’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa ny hanamafisana ny hetsika ara-tsosialy eny anivon’ny vahoaka, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny rivodoza izao. Manoloana izany, na­natanteraka hetsika fizaham-pahasalamana antsoina hoe “Magna­fana 2023” any amin’ny tapany atsimo atsinanan’ny Nosy, faritra isan’ireo voa mafy tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy ireo miaramila avy ao […]

Distrikan’Ambohidratrimo: mitady asa mahavelona ny tanora

Nanaporofo ny fahasarotana amin’ny fahitan’ny tanora asa ny firohotr’izy ireo teny Ivato nandritra ny fiofanana narahina fandraisana mpiasa teny en-toerana, ny sabotsy teo. Tanora manodidina ny 1000 avy amin’ireo kaominina manodidina ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo no liana tamin’izany. Fiaraha-miasan’ny ben’ny Tanànan’Ivato, Randrianari­soa Penjy sy ny solombavambahoaka, Rakotoarisoa John­ny ary ny orinasa […]

Covid-19 : 52 ny tranga vaovao

Mitombo isan-kerinandro ny olona vaovao voatily fa mitondra ny tsimokaretina Covid-19, araka ny tatitry ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. 52 ny tranga vaovao tao anatin’ny fitiliana 1 361, tsy nisy ny aina nafoy sy ny tranga anaty fahasarotana raha 48 ny marary manaraka fitsaboana hatramin’ny 10 marsa lasa teo. Sambany tsy […]