Taratra

Tsenan’Analakely: manaiky ny fisian’ny SMGD ny mpivarotra rehetra

Ho fandravonana ny olana misy eo amin’ny samy mpivarotra, hotontosaina ny fifidianana izay ho filohan’ny birao vaovao hitantana ny mpivarotra eny Analakely. Nahatratra 345 isa ny mpivarotra ao anaty lisi-pifidianana. Miisa 345 ireo mpivarotra ara-dalàna voasoratra anarana hiatrika ny fifidianana. Resy lahatra amin’ny fisian’ny SMGD ireo mpivarotra mpanohitra taloha. Hotanterahina […]

Opl Awards 2022 : voahosotra ho mpilalao mendrika i Dax sy Nina

Notanterahina ny alarobia alina lasa teo ny lanonam-pa­natanjahantena, “OPL Awards 2022”. Nosafidin’ireo mpankafy baolina kitra ho mpilalao mendrika nandritra ny taom-pilalaovana 2021 – 2022 Andriamirado Arohasina na i Dax, mpilalaon’ny Fosa Ju­nior. Rakotoasimbola Zaka­nirina (Nina), mpilalao mendrika nosafidian’ny mpanao gazety tamin’ny taom-pilalaovana 2021-2022. Lanonana natao teny Ivato. Marihina fa natao […]

Basikety-Alley Hoop FIBA 3×3: 700 mahery ny mpilalao hifaninana

Hanomboka rahampitso 3 marsa ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Maha­ma­sina sy Petit Palais ny fifaninanana “Alley Hoop FIBA 3×3”, taranja basikety. Tafakatra 700 ny mpilalao nisoratra anarana ahitana ekipa 171. Raha toa ka ny sokajy U17, U23 sy Seniors ihany no noeritreretina hifaninana, ahitana ny sokajy Vétéran ary ny Super Vétéran […]

Volley-CAVBZone 7: tafita amin’ny manasa-dalana ny GNVB vehivavy

Solontena malagasy tokana hiatrika ny manasa-dalana, amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ny klioba tompondakan’ny faritra faha-7, taranja Volley ball, ny GNVB vehivavy. Samy raraka teo amin’ny ampahefa-dalana avokoa ny Stef’Auto sy ny GNVB lehilahy. Hiatrika ny lalao manasa-dalana, anio, ny ekipan’ny GNVB (Gen­darmerie nationale de Volley ball), sokajy vehivavy, […]