Mbola maro ny olana momba ny fahasalamam-bahoaka mahakasika ny sokajin’olona rehetra. Mila fanavaozana ny rafitry ny fahasalamana mba hisitraka tolotra manana kalitao ny daholobe. Napetraka, omaly, teny Ankorondrano, ny komity hanatsara ny rafitry ny fahasalamana eto Madagasikara, iarahan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpanohana eo amin’ny lafiny vola sy teknika. Tanjona […]
Taratra
Fanararaotam-pahefana : mampiaka-peo ireo mpivarotra amoron-dalana
Mitaraina noho ny fisian’ny mpiasa manao kolikoly ao amin’ny kaominina amin’ny mpivarotra amoron-dalana. Mpiasa vitsivitsy ao amin’ny Lapan’ny tanàna no manao izany fanararaom-pahefana. Betsaka ireo mpivarotra amoron-dalana izay mahazo mivarotra eny amin’ny sisin-dalana fa ny an’iretsy mpivarotra eo Ambatomena ambanin’ny Maosoivoho Frantsay no niharan’ity fanesorana tsy ara-dariny ity. Nandoa vola […]
Forum des métiers : tsara ny misafidy ny sampam-pianarana harahina
Ahitana hetsika «Forum des métiers » anio maraina, eny amin’ny Lycée Fanavotana Antsalovana 67 ha. Karakarain’ny Promotion Daholo, andiany fahavalo eo anivon’ny sekoly. Natokana ho an’ireo mpianatra hanala ny fanadinam-panjakana bakalorea izany. Tanjona ny hampahafantatra sy hampisehoana ireo karazana sampam-pianarana tsara sy mety ho an’ireo mpianatra rehefa eny amin’ny ambaratonga ambony. […]
Lalaon’ny Nosy : mpilalao volley-ball telo an’ny Cosfa handrafitra ny ekipam-pirenena
Natsangana teo anivon’ny Foloalindahy ny Cosfa, ny taona 1982. Ahitana ny Tafika, ny zandarimariam-pirenena, ny sivily ary ny OMSC na office militaire des sports et de la culture, tarihin’ny Jly Rajaositera Rollando. Efa nandrombaka amboara maro ary mampiavaka azy ny fananana mpilalao maro amin’ny karazam-panatanjahantena samihafa. Ankehitriny, 602 ireo mpilalao […]
Fandriampahalemana : hihamafy ny fiaraha-miasa amin’ny Amerikanina
Natao teny amin’ny trano fonenan’ny masoivoho amerikanina, Claire Pierangelo, omaly, ny fankalazana ny nahaterahan’ny fanjakan’i Texas. Nanamafisana ny fifandraisan’ireo manam-boninahitra amin’ny fitandroana filaminana Amerikanina sy Malagasy ary mpiara-miasa vahiny ity fahatsiarovana ny nahaterahan’ny fanjakan’i Texas ity. Ity hetsika ity, nanasongadina ny fahavononan’izy ireo hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny fiantohana ny fandriampahalemana […]




