Natao ny alarobia teo tao Toamasina ny fivoriambe nanatanterahana fifidianana ny ho filoha sy ny ekipa handrafitra ny birao hitantana indray ny fikambanan’ny mpanao gazety eto Toamasina (AJT), mandritra ny efatra taona manaraka. Miisa 54 ireo mpanao gazety tonga nanatrika izany. Kandidà tokana tsy nisy nifaninana ny teo amin’ny toeran’ny […]
Taratra
Ho an’ny zanak’i Fianarantsoa : miantso firaisankina sy fitoniana ny Fizafafi
“Mitondra hafatra ho an’ny zanak’i Fianarantsoa tsy ankanavaka izahay. Aoka hitandrina toy ny anakandriamaso ny firaisankina ao anatin’ny fahasamihafana isika; aoka handala ny fifankatiavana sy ny fihavanana ary ny fandeferana.” Io ny fanambaran’ny Fikambanan’ny zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa (Fizafafi), novakin’ny filoha lefitra, Razafimandroso Aurelien, teny Ambatoroka, afakomaly, manoloana ny kabarin’ny […]
Lahatenin’ny Fizafafi: tsy faly i Soja Jean André
“Misy fitsipika ny eo anivon’ny vovonana IRD. Azo tenenina any amin’ny filohan’ny Repoblika izay notenenin’ny filohan’ny Fizafafi”, hoy ny mpanolotsaina manokan’ny filohan’ny Repoblika sady filohan’ny antoko Liarake, i Soja Jean André na i Kaleta, manoloana ny kabarin’ny filohan’ny Antenimierampirenena sady filohan’ny fikambanana Fizafafi, Razanamahasoa Christine, tany Fianarantsoa, ny faran’ny herinandro […]
Fihaonana iraisam-pirenena – Bruxelles: hitondra fanovana eo amin’ny politika ny MMM
Navoitran’ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo fa anisan’ny fototra iorenan’ny antoko ny antsoina hoe “Principes” sy ny “Doctrines”. Niatrika ny fivoriana iraisam-pirenena tany Bruxelles ny tenany tamin’ity herinandro ity. “Ireo ihany no mibaiko ny atao rehetra eo amin’ny resaka politika. Ny fanapahan-kevitra, mipaka amin’ny fiainan’ny isan-tokantrano sy ny […]
Fanaovana hosoka : Ben’ny Tanàna vehivavy iray nidoboka am-ponja
Naiditra am-ponja vonjimaika taorian’ny fakana am-bavany azy tetsy amin’ny Pac, ny ben’ny Tanàna vehivavy iray. Voapaingotra ihany koa ny mpiara-miasa aminy iray, ny alarobia teo. Naiditra am-ponja vonjimaika etsy Antanimora, taorian’ny fampiantsoana azy teny amin’ny tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (PAC), etsy 67 ha, ny ben’ny Tanàna iray avy any Vavatenina. […]




