Taratra

Covid-19 aty Afrika: “Tokony hotohizana ny vaksiny sy ny fepetra fiarovana”

Telo taona taorian’ny nisehoan’ny vanalaretina Covid-19, ahoana ny zava-misy aty Afrika? Io ny lo­hahevitra nifampizarana tamin’ny tomponandraikitry ny Sampandrahara­han’ ny Firenena mikambana misahana ny fahasalama (OMS) aty Afrika sy ny tam­bajotran’ny mpanao gazety aty Afrika ho an’ny fampivoarana ny fahasalamana sy ny tontolo iainana (Remap­sen) tamin’ity volana ity, tamin’ny fivoriana […]

Andron’ny sekoly : volavolaina any am-pianarana ny toetran’ny ankizy

Nofaranana omaly tetsy amin’ny kianja Barea Maha­masina ny andron’ny sekoly. Niavaka ny fankalazana satria niompana betsaka tamin’ny fanabeazana ny maha olona. Lohahevitra: “Sekoly loharanom-pahalalana: fahendrena, fahaiza-miaina, mikajy ny tontolo iainana sy ny fananana iombonana”. “Tsy hijanona ho fanomezam-pahalalana fotsiny ny sekoly fa entina hamolavolana ny toetran’ ny mpianatra”, hoy ny […]

Tsenan’Ambatomaro Ampanotokana : nanaiky ny “digitalisation” ny mpivarotra

Ankoatra ny fijerena ny fandrosoan’ny asa fanamboarana ny tsena eny Ampanotokana, nitsidika ny tanànan’Ambatomaro koa ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, omaly. Nijery ny fandrosoan’ ny asa teny amin’ny tsenan’Ambatomaro Ampanitokana ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsi­tohaina Naina, omaly. Efa mijoro ny Fikambanan’ireo mpivarotra volamasoandro Ambatomaro (FIMVA) ivondronan’izy ireo. Efa nahavita fanaovan-tsonia fifanarahana […]

Analanjirofo : mbola mitokona ny mpiasan’ny fahasalamana

Tsy asian’ ireo mpiasan’ny fahasalamana mitokona ao Fenoarivo Atsinanana hasina intsony ny solontenam-panjakana notarihin-dRasolomampionona Emmanuel, Préfet Fenoarivo sy ny vondron’olon-kendry ao an-toerana. Samy niantso ireo solontenan’ny mpiasa mitokona izy ireo mba hiaraka hivory hikarohana vahaolana momba ny fitakian’ izy ireo. Noho ny fikatsoan’ny asam-pahasalamana izay efa ahina hiantraika amin’ny ain’olombelona […]

Fanampiana ny marefo : tokantrano 14 880 nisitraka vatsy any Atsimo Atsinanana

Mbola misy amin’ireo mponina ao anatin’ny distrikan’i Midongy Atsimo sy Vondrozo, faritra Atsimo Atsinanana no tsy tafarina ary mila tohana sy fanampiana ara-tsakafo taorian’ ny nandalovan’ny rivodoza nifanesy ny taona lasa sy voakasiky ny rano be fa­rany teo. Nizara vatsy Tsinjo ho an’ny kaominina valo anatin’ny distrikan’i Vondrozo (Vondrozo, Andoharano, […]