Taratra

Fiaraha-miasan’ny Anja Madagascar sy ny Safidy : “Tokony hohamoraina ny zo hitory amin’ny fifidianana”

Olana tsy mbola voavaha tao anatin’ny taona maro. Nahatsikaritra ny eo anivon’ny Safidy, nandritra ireo fanaraha-maso nataony, fa ilaina ny fanatsarana ny fampanajana ny zo hitory amin’ny fifidianana. “Olana ny fahasarotan’ny paikady arahina sy ny fitondrana porofo, ny tsy fahampian’ny fotoana ahafahana mitondra ny raharaha ; ny tsy fahampian’ny enti-manana […]

CMVP-Safid : “Aleo tsy ravana fa sokafana amin’ny mpanao politika ny Ceni”

Nisy depiote mpanohitra nilaza fa tokony hojerena akaiky ny mety ho olana amin’ny fanatanterahana fifidianana. Nanome sosokevitra ry zareo hoe misy andininy fito amin’ny lalàm-pifidianana tokony hahitsy. Anisan’ny nohamafisiny tamin’izay ny momba ny And. 15 amin’ny lalàna 2015-020 ny amin’ny sata mifehy ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana fifidianana (Ceni). “Amin’izao […]

Takaitran’ny rivodoza : nitondra fanampiana ho an’ny traboina ny filoha Rajoelina Andry

Nidina tany Mananjary nitsidika ireo traboina noho ny rivodoza Freddy ny fitondram-panjakana notarihin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, omaly. Nitondra fa­nampiana ho an’ireo traboina izy ireo nandritra ity fidinana ifotony ity. Nankasitraka ny fitondram-panjakana, in­drin­dra ny filoham-pirenena ireo olom-boafidy miahy ny tanànan’i Mananjary. “Sitraka enti-matory izao ataonao anay izao ka valinay rehefa […]

Mila mandini-tena

Tonga soa aman-tsara tany Mananjary ny Filoham-pirenena, nitondra vonjy ranovaky ho an’ny traboina. Zava-dehibe ho an’ny vahoaka madinika ny fahafoizan-tena sy fanakaikezana ny vahoaka eo ambany fiahiana. Velombolo ny mponina na tsy ahafapo sy hahavaly ny filàn’ny tsirairay aza ny fanampiana. Tsy azo tsinontsinoavina ny firaisam-po sy ny fiaraha-mizaka ny […]

Tsy tafiditra tao amin’ny Magro: nosakanan’ny Emmo-Nat ny fetin’ ny antoko Tim

Tompony nangataka atiny ! Tsy raikitra ny fifampiarahabana tratry ny taona saika hataon’ny antoko Tim, tao Behoririka. Nobahanan’ny mpitandro filaminana ny toerana. Tsy tontosa araka ny nandrafetan’ny tompon’andraikitry ny antoko Tiako i Madagasikara na TIM, eto Antananarivo renivohitra ny fifampiarahabana nahatratra ny taona nokasain’izy ireo natao, omaly. Tsy navelan’ny mpitandro filaminana […]