Nahitana fatim-behivavy iray tao amin’ny fokontany Sazomena kaominina Sahatavy distrika Vavatenina omaly. Maty tao anaty toeram-pitrandrahana volamena ity vehivavy ity. Potika tanterana ilay vata-mangatsiaka ary tsy misy hamantarana azy intsony.
Taratra
Fivadiham-pitokisana : namidin’ilay lehilahy ny moto namboariny
Nidoboka am-ponja vonjimaika, omaly, ilay mpanamboatra moto nivarotra ny entana napetraka taminy etsy Tanjombato, ny desambra lasa teo. Nampanamboatra moto teo amin’io lehilahy io ny renim-pianakaviana iray. “Nifanaraka izahay fa amboariny ara-dalàna ny moto”, hoy ny tompon’ny entana. Nilaza anefa ilay mpanamboatra fa tsy maintsy mijanona ao aminy ny moto […]
Ankazobe : Lavo i Lako tanan-kavan’ Yarisy
Maty voatifitry ny zandary avy ao Ankazobe, omaly, i Lako. Dahalo raindahiny sy tanan-kavan’Yarisy, isan’ ireo namono olona tao Ambohitriniandriana, kaominina Ambolotarakely. Tsikaritry ny fokonolona nihaodihaody tao Merinkanjaka, fokontany Anosikely ity malaso ikoizana ity. Vokany, nampandrenesina ny zandary ka niditra an-tsehatra avy hatrany nitady azy. Izy rahateo efa nifampitadiavana hatry […]
Fakana an-keriny: olona dimy naiditra am-ponja vonjimaika
Nanao rodobe manoloana ny Lapan’ny fitsarana, omaly, ny havan’ilay ankizilahikely hita faty teny Tanjombato, ny alahady teo. Niakatra fampanoavana tamin’io fotoana io koa ireo voasambotra sy voasaringotra ka nalefa eny Antanimora ny efatra raha eny Tsiafahy kosa ny iray. Niatrika ireo mpitsara mpanao famotorana, omaly, ireo olona voarohirohy naka an-keriny […]
Tsenan’ Anosibe : nihaino ny olan’ny mpivarotra ny ben’ny Tanàna
Nidina ifotony teny amin’ny tsenan’Anosibe ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra sy ny mpiara-miasa aminy, afakomaly. Nijery ny zava-misy sy ny olan’ny mpivarotra ary ny fandrosoan’ny asa fanamboarana sy fanavaozana teny an-toerana izy nandritra izany. Fotoana nanaovan’ny fikambanan’ny mpivarotra tatitra tamin’ny ben’ny Tanàna io fotoana io. Nilaza ny fikambanan’ny mpivarotra fa nisy […]




