Miha mahazo aina kely hatrany ny sandam-bola Ariary tato anatin’ny iray volana farany, miohatra amin’ny vola Euro sy ny dolara. Araka ny antontanisan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM), nisanda 4.549 Ar ny 1 Euro ny 17 febroary 2023 teo, raha efa 4.700 Ar tamin’ny 17 janoary. Nidina ho 4.288 Ar kosa […]
Taratra
Fivarotam-panafody : nankatoavin’ny HCC ny lalàna vaovao
Nohamafisin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenena (HCC), ny 25 janoary teo, fa mifanaraka tsara amin’ny Lalampanorenana ny tolo-dalàna mitondra fanovana ny sata mifehy ny tobim-panafody (Dépôt de médicament). Voakasik’izany ny sata mifehy ny fahasalamana efa nankatoavin’ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona, momba ny toeran’ny tobim-panafody eken’ny lalàna. Voalaza ao anatin’ny fanovana […]
Tomira Toliara: mpilatsaka an-tsitrapo 200 nanadio lakandrano tany Toliara
Mandray andraikitra amin’ny fanatsarana ny tanànan’i Toliara ny fikambanana Tomira. Nanao asa tanamaro nanadiovana lakandrano izy ireo, notohanan’ny orinasa Base Toliara. Manana tanjona hanatsarana ny tanànan’i Toliara ny kaominina an-dRenivohitra Toliara. Ankoatra ny fidiram-bolany manokana, misy koa ny fiarahana miombon’antoka amin’ny mpisehatra samihafa, ahazoany fitaovana. Nilaza ny ben’ny Tanàna, Vita […]
Tatitra- Covid-19 : nahitana tranga vaovao telo eto Analamanga
Toy izao indray ny tatitra mikasika ny vokatry ny fitiliana ny valan’aretina Covid-19 tao anatin’ny herinandro, ny 11 hatramin’ny 17 febroary lasa teo. Miisa telo ireo tranga vaovao eto amin’ny faritr’Analamanga, raha ny tatitra omaly. Fantatra fa miaina ao anatin’ny trangana fahasarotana ny olona iray amin’ izy ireo. Efa manaraka […]
Meteo, BNGRC : hentitra amin’ny fampihenana ny fiantraikan’ny loza
Nivory maika ny foibe famantarana ny toetry ny andro sy ny BNGRC niaraka tamin’ny mpiara-miombon’ antoka nametraka ny paikady hanalefahana ny fiantraikan’ny loza amin’ny fandalovan’ilay rivodoza Freddy, voalaza fa tena mahery vaika. Nandray anjara feno koa tamin’ny alalan’ny dinika nampitain-davitra ireo tompon’andraikitra eny ifotony amin’ireo faritra vinavinaina ho voakasiky ny […]




