Taratra

Antsohihy: dahalo mpanakan-dalana lavo

Maty voatifitry ny zandary avy ao Antsohihy nandritra ny fifanjevoana ny jiolahy roa lahy mpanakan-dalana. Nanao fisafoana teo anelanelan’ny kaominina Anahidrano sy ny kaominina Befotaka avaratra, distrikan’Analalava, lalam-pirenena fahaenina ny mpitandro filaminana ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo. Tojo sakan-dalana anefa ny zandary tsy lavitra an’Antana­mbao avaratra sy Antsaribao. Nijanona […]

Vavatenina : trano 35 may, anjatony ireo tsy manan-kialofana

Trano 35 indray hotohoton’ny afo, anjatony ireo traboina. Io no vokatry ny haintrano mahatsiravina nitranga ao amin’ny fokontany Ampasim­bola kaominina ambanivohitr’ Ampasimazava distrikan’i Vavatenina, ny zoma tolakandro teo. Trano falafa sy biriky ireto may ireto, araka ny fanazavana voaray avy any an-toerana. Voalaza fa vokatry ny afon-tsaribao tsy novonoina noho […]

Vaky trano : polisy lasibatra, jiolahy iray voasambotra

Noraisim-potsiny ! Voa­sam­­botry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahadimy (CSP5) ny sabotsy teo teny Anosy ny jiolahy iray voarohirohy ho tompon’antoka tamina vaky trano. Nianika tamboho teo amina trano iray eny Anosy akaikin’ny toeram-pisakafoana iray izy ny Asabotsy tamin’ny 2 ora sy 50 mn. Tsy nampoizin’ilay jiolahy anefa fa […]

Angovo: hitombo 1.000 MW ny herinaratra vokarina

Nitondra ny vinan’ny fanjakana mikasika ny angovo ho an’ny rehetra ny filoha Rajoelina, nandritra ny loabary an-dasy natao any Addis-Abeba Etiopia. Lohahevitra ny hoe «Fiarovana ny hahazoan’ny rehetra herinaratra», izay fivoriana andiany faha-36, nihaonan’ny filoham-panjakana sy ny lehibe governemanta ao anatin’ny Vondrona Afrikanina, nisokatra omaly 18 febroary. Nilaza ny filoha […]