Taratra

By-Pass : fiarabe tapaka hisatra nifaoka olona telo

Tafavoaka sy avotra avokoa ireo olona miisa telo voatsindrin’ny kamiaobe iray tapaka hisatra teny By-Pass omaly maraina. Naresaka maraina teny By-Pass tsy lavitry ny biraon’ny polisim-pirenena. Nitrangana lozam-pifamoivoizana teo an-toerana tokony ho tamin’ny 07 ora. Kamiaobe iray mpitondra ranotany no tra-doza rehefa tapaka hisatra ka nifatratra tamin’ny sisin’arabe. Vokany, voasarika […]

Fanafihana Cash point: jiolahy iray lavon’ny balan’ny polisy teny 67ha

Nirefodrefotra indray ny poabasy nandritra ny fifanenjehana teo amin’ny polisy sy ny jiolahy teny 67ha, ny asabotsy alina teo. Nanomboka hatrany Ampasika ny fifanenjehana ka tsy nifarana raha tsy teny 67ha, toerana nahavoatifitra ity jiolahy raindahiny ity. Polisy nanao fanamiana sivily no nifanehatra tamina andian-jiolahy nandeha moto teny Ampasika. Voalaza […]

Antoko Malagasy miara-miainga: “Avoahy koa ny datim-pifidianana ben’ny Tanàna”

Niarahaba ny Ceni tamin’ny namoahana ny tetiandrom-pifidianana filoham-pirenena ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, omaly. Nambaran’izy ireo fa dingana iray lehibe ahafahana miroso any amin’ny fikarakarana ny fifidianana ho antoky ny fitoniana sy fanamafisana ny demo­krasia izany. Nahitsy anefa ny MMM. “Tsy mbola feno ny tetiandro. Tokony hatao amin’ity taona […]

Vovonana Miaradia Diaspora : “Hizara traikefa sy hanampy ny traboina izahay”

Noraisin’ny filohan’ny An­tenimierandoholona, Razafima­hefa Herimanana, tetsy Anosy ny Vovonana miaradia “Mia­raka amin’i Andry Rajoelina – Diaspora”, afakomaly. Name­labelatra ny foto-keviny sy ny tanjony ary ny hanampiana ny firenena sy ny vahoaka ny birao, ny Dr Rakotoniaina Zo. Nam­barany fa eo am-pandinihana ny fanampiana ho an’ny mpiray tanindrazana traboina izy ireo. […]