Namoaka fanambarana ny antoko RDS, tarihin-dRakoto Andrianiriana Fetison, ny 6 febroary teo. Nanentana ny Ceni izy hampiantso ireo mpisehatra rehetra momba ny fifidianana. “Aoka isika hifampidinika ao anan’ny fe-potoana faran’ ny haingana. Maika izao raharaha izao, ka tsy azo hanjehena ny andro ho lava », hoy izy. Tanjon’ny dinika ny […]
Taratra
Kitra OPL : lalao efatra ihany no atao
Araka ny vaovao hita omaly tao anaty tambajotran-tseraseran’ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro League” dia lalao efatra ihany no hatao androany sy rahampitso. Araka izany, handray lalao telo ny eto Antananarivo, lalao tokana any Toamasina. Raha ny vaovao voaray, noho ny fangatahana nataon’ireo mpilalao Barea mba hiala sasatra kely, no antony nanemorana […]
Kitra: natao mariazy Rakoul sy i Mendrika
Notanterahina omaly, teny amin’ny Espace Matehotia Andoharanofotsy ny fisoratam-panambadian-dRazafindranaivo Koloina na Rakoul sy i Nasandratraniaina Mendrika Lavorary. Taorian’ ny soratra, nisy ny fanamasinana ny mariazin’izy roa, tao amin’io toerana io ihany. Tonga nanatrika io lanonam-panambadiana io avokoa ireo mpilalao Barea Chan sy ny mpanazatra ny Barea, Rakotondrabe Romuald Felix na […]
Rugby – XXL Top 20 : miray vondrona ny USA sy ny FTM
Notanterahina omaly, teny amin’ny orinasa Star ny antsapaka na “tirage au sort” ny lalao Federal 1- XXL Top 20. Hiray vondrona ao amin’ny “Poule D” ny ekipan’ny FTM Manjakaray sy ny USA Ankadifotsy. Ankoatra azy roa ireo, hiady lohany ao amin’ity sokajy D ity koa, ny 3FAI Ambalavao Isotry, ny […]
Judo-Grand Slam: resy fihodinana voalohany ny Malagasy
Niakatra ny lentan’ny fifaninanana “Grand Slam”, taranja Judo, notontosaina tany Paris, natao ny herinandro lasa teo. Judokas kalaza avokoa no nifandona tamin’ny solontena Malagasy ka tsy tafavoaka teo amin’ny fihodinana voalohany izy 3 mianadahy niatrika ny fifaninanana. Tsiahivina fa Randrianasolo Lova Mahaisoa, sokajy latsaky ny 73 kg, Rakotoarivony Royal, sokajy […]




