Isan’ny tohanan’ny Vondrona eoropeanina ny tetikasa Jirama Tana Water III, hanatsarana ny famatsian-drano fisotro eto Antananarivo sy ny manodidina. Eo koa ny fanadiovana ny lakan-drano hanafainganana ny fivarinan’ny rano. Nihaona tamin’ny minisitry ny Rano, fanadiovana sy fidiovana (MEAH), Ravokatra Fidiniavo, omaly, ny masoivohon’ ny Vondrona eoropeanina (UE) miasa eto Madagasikara, […]
Taratra
Fenitra EITI : fitantanana mangarahara ny harena an-kibon’ny tany
Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny filoham-pirenena ny fametrahana ny fitantanana mahomby sy mangarahara. Anisan’ireny ny fitantanana ny harena an-kibon’ny tany. Isan’ny firenena mampihatra ny fenitra, fametrahana ny mangarahara amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ ny tany vaventy (EITI), i Madagasikara. Natao teny amin’ny Business Mining Ivato, omaly 09 febroary, ny fivorian’ny vaomieram- pirenena […]
Faritra Analamanga: voalohany Manjakandriana amin’ny famokarana
Manjakandriana, distrika voalohany amin’ny faritra Analamanga nahazo fanohanana voalohany ny tantsaha ao aminy mpiompy tantely. Mivelona amin’ny fiompiana sy fambolena ny tantsaha. Natolotry ny minisiteran’ny Indostria izany fitaovana izany, omaly. Malaza amin’ny fiompiana tantely ny distrikan’i Manjakandriana, misy ny 30 %-n’ny ala eto Analamanga, ohatra fotsiny ny ao amin’ny kaominina […]
VINAN’IARIVO : olona 455 nizaha fahasalamana
Tafiditra ao anatin’ny vinan’Iarivo ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka. Isaky ny tapabolana, mikarakara hetsika ara-pahasalamana ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Mifandimby misitraka izany ireo fokontany eny anivon’ny boriboritany enina. Omaly, ny fokontany Anjanahary II O – Boriboritany faha-V no nanatanterahana izany. Naharitra efatra andro ny hetsika. Maro ny tolotra nomena ny […]
Fanabeazam-pirenena : hiroso amin’ny rafitra vaovao
Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Anosy, ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena Rabenandrasana Théophil, omaly. Nohamafisiny ny fivoahan’ny lalàna vaovao mikasika ny rafi-panabeazana eto Madagasikara. Efa nivoaka omaly ny naoty manamafy izany. Arak’io lalàna io, halavaina ny fotoam-pianarana fanabeazana fototra. Ahemotra 6 taona izany raha toa ka 5 taona teo aloha. […]




