Mitohy ny fidinana eny anivon’ireo tsena eto an-dRenivohitra. Omaly, nitsidika ny tsenan’Andravoahangy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina sy ireo mpiara-miasa aminy. Nojereny manokana ireo fotodrafitrasa sy ny fandrosoan’ny filaminana ary ny fahadiovan’ny tsena. Ankoatra izay, nitafa sy nihaino ny hetahetan’ny mpivarotra ihany koa ny tenany. Voaresaka tao ny mahakasika […]
Taratra
Distrikan’i Manandriana : tokantrano sahirana 7000 misitraka ny tetikasa Asa Avotra Mirindra
Nanara-maso ny fizarana ny vola fiahiana ara-tsosialy Asa Avotra Mirindra, tany amin’ny faritr’Amoron’i Mania, distrikan’i Manandriana, kaominina Anjoman’Ankona, ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian niaraka tamin’ny minisitry ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy, Soafilira Princia, omaly. Nandritra izany no nandefasana ny vola andiany faharoa tamin’ny hetsika in’enina miantoana ho fanampiana […]
Gasy Stand Uppers: tafaverina ny “Men in Blagues”
Tanterahina eny amin’ny Ivontoeran’ny Kolontsaina Malagasy na IKM Antsahavola ny hetsika “Men in Blagues”. Anio 10 febroary 2023, amin’ny 3 ora tolakandro hatramin’ny 5 ora hariva no hanatanterahana izany. Ny Gasy Stand Uppers miara-miasa amin’ny IKM no mikarakara ny hetsika. Efa manomboka miverina tsikelikely amin’ny laoniny ny hetsika ara-kolontsaina rehetra. […]
Zavamaneno Malagasy: “Efa mitady ho very ny jejo voatavo”, hoy i Fafah
Ankavitsiana sisa ireo tena mahafehy azy… zavamaneno tena malagasy ary ny betsileo ihany no nilalao ny jejo voatavo. Anisan’ireo mpitendry niezaka nikaroka, namorona ary manasongadina ity zavamaneno ity i Fafah jejo voatavo. Resadresaka manokana: Gazety Taratra (*): Anisan’ireo mpanakanto miangaly ny jejo voatavo ianao. Mba azonao tantaraina amin’ny mpamaky ve […]
Madagaslam Section Tana: mitohy ny fampiroboroboana ny Slam Poésie
Hanatanteraka atrikasa mahakasika ny Slam Poésie ny Madagaslam Section Tananarive na MST. Ny asabotsy 11 febroary 2023, amin’ny 10 ora maraina, ao amin’ny Cercle Germano -Malagasy na CGM Analakely. Tajero sy Seth Seven no hizara ny traikefany sy ny fahaiza-manaony amin’io fotoana io. Hetsika natao hamaliana ny filàn’ireo mpankafy sy […]




